Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miakatra hatrany ny isa 15 indray voan’ny Covid 19

12/05/2020

Tarehimarika azo tamin’ny fitiliana ny alahady tamin’ny 8ora maraina hatramin’ny 6ora hariva no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle

 

 

 

 

omaly tolakandro mahakasika ny fivoaran’ny Covid 19 eto Madagasikara. 257 ny fitiliana vita, ka teto 219 teto Antananariovo, ary 38 kosa tany Toamasina ny ambiny. 15 ny tranga vaovao nampiakatra ny isa rehetra ho 186. Ny 4 tamin’ireo voa dia tamin’ny fitiliana teto Antananarivo, ary 11 tany Toamasina. Herintaona ny zandriny indrindra, ary 54 taona ny zokiny indrindra, ka 8 vehivavy ary 7 lehilahy. Ny 5 dia latsaky 16 taona avokoa. Niampy iray, ka tonga 105 ny sitrana, ary 81 no mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy ny marary misy fahasarotana. Nanentana moa ny Pr Vololontiana fa tsy tokony ahilika ireo olona avy voa ka sitrana. Tsy tokony ho henatra izany, ary efa azo antoka ny fahasalaman’ireo olona avy narary, hoy ity Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 ity. 5465 ny fitambaran’ny fitiliana rehetra vita hatramin’izay, izay azo sokajiana ho ambany, raha ampitahaina amin’ny isan’ny mponina amin’ireo faritra efa ahitana izany, fa indrindra mitaha amin’ny isan’ny vahoaka Malagasy. Tsy ampy ve ny tetibola hahafaha-manao izany kanefa tena betsaka ilay sorabola 444 tapitrisa dolara? Marina fa manana finiavana hitsabo an’i Afrika isika fa sao dia tokony hatomboka amin’ny tena fifehezana ny eto Madagasikara aloha?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana