Dans la mme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Andry Rajoelina « Henjehana ny CVO satria avy aty Afrika”

12/05/2020

Nivahiny tamin` ny haino aman-jery vahiny France 24 ny filoha Andry Rajoelina omaly niresaka momba ny tambavy Covid Organics [CVO] sy ny fampiasana izany ho fitsaboana ny mararin` ny aretina “coronavirus” eto Madagasikara.

 

 

 

Nanambara ny filoha fa noho ny fisotroana ity tambavy ity no nanasitrana ireo marary miisa 105 eto amintsika na dia tsy nandalo andrana ara-clinique” aza ny CVO. Namafisiny hatrany fa azo atokisana ny vokatra vokarin`ny IMRA. “Nahitàna fihatsarana ny fahasalaman` ireo marary ao anatin` ny 24 ora vantany vao mandray ity fanafody ity. Ao anaty fito hatramin` ny folo andro dia hita sy tsapa ny vokany. Natoraly ity fanafody fanefitra ity fa tsy toxique akory ». Voaresaka ihany koa fa tsy mankasitraka ny fampiasana amin`io tambavy io ny OMS kanefa tsy mbola nanakana kosa ny fampiasana ny tambavy ho fitsaboana izy ireo. Na dia eo aza ny fampitandremana, mitohy ny fizarana CVO amin` ireo firenena Afrikanina. Somary manana ahiahy kosa ny filoha manoloana ny zava-misy satria reharehan` ny kaontinanta Afrikanina ny CVO. “Raha firenena eoropeanina no nahita ity fanafody dia tsy nahitàna olana sy ahiahy toy izao ve ? Tsy mino aho (…) Ny olana dia avy aty Afrika ny fanafody. Tsy eken` ny hafa ny hoe firenena toa an` i Madagasikara, izay laharana faha-163 mahantra eran-tany, no nahità ny fanafody afaka mamonjy an` izao tontolo izao. Notsiahiviny hatrany fa Madagasikara dia mbola mitahiry ny fitsaboana lovain-jafy ary notsipihany fa maro ireo fanafody hankatoavina amin` ireo firenena tandrefana no ahiana ny vokany amin` ny zanak` olombelona toy ny “Mediator” any Frantsa. Tsisy fiaraha-mitantana Voaresaka ny momba ireo Iles Eparses izay nangingina tato ho ato ny fitakiana izany. Nanambara ny filoha Rajoelina fa efa mitady ny vahaolana sy marimaritra iraisana amin`i Lafrantsa mikasika ny famerenana ireo nosy ireo ho an`ny Malagasy mialoha ny 26 jona izao izay daty voatondro. Efa ho herintaona tokoa no najoro ny vaomiera manokana ary tokony tamin` ny volana martsa ny fihaonana faharoa. Notsipihany mazava tsara fa famerenana ireo nosy no takiana fa tsy fiaraha-mitantana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana