Dans la męme rubrique

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

29/05/2020

Ny 23 martsa 2020 no nihiboka voalohany ny malagasy. Mbola latsaky ny 100 ny voan’ny Coronavirus tamin’izany ary tsy mbola nisy ny maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary.

Paul Rabary « Mbola hisy 2 na 3 volana ny Covid 19 »

Hamaky ny tohiny...

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

28/05/2020

Tsindrona, hatao andrana amin’ny marary Covid 19 ao Toamasina sy Antananarivo, hono.

Antoko DHD “Efa ny mahaolona mihitsy no ataon’ny fitondrana antoka”

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

28/05/2020

Hanomboka ny andrana covid organics, ary diso tanteraka ny filazana fa ny CVO no navadika tsindrona, hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny lalàna eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Dr Sahondraharimalala Marie Michelle, nampian’ny Pr Luc Rakotovao omaly.

Fanafodin’ny Covid 19 atsindrona Tsy CVO fa zavatra hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

28/05/2020

Namoaka sy nitantara ny nanjo azy ireo olona miisa 48 voan’ny covid-19 ao amin’ny Foyer Social Canada ka nandefa solontena 03, raha vao nahita ireo mpanao gazety tonga hiatrika ny fanolorana fitaovana nataon'ny vokovoko mena, raha ny fampitam-baovao.

Mararin’ny Covid-19 ao amin’ny Foyer Canada Tsy manaiky hanandramana ilay tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

28/05/2020

Tsy mitovy ny andraikitra raisin’ireo Ben’ny tanana tsirairay avy ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano

Rado Ramparaoelina “Tokony mitovy ireo fepetra mihatra isaky ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Covid Organics Mbola misy ny ahiahy tsy hihavanana ?

12/05/2020

Nahamaika ny fitondram-panjakana Malagasy ny famoahana sy ny fanaovana doka ilay tambavy Covid Organics.

 

 

 Tsy ratsy ilay finiavana, ary mila tohanana ny fikarohana Malagasy, kanefa toa nisy fahadisoana paikady angamba tao. Toa maika loatra tany amin’ny serasera ivelany, ka nisy fenitra ara-tsiantifika sy ara-teknika toa voadingana raha ny adihevitra mandeha sy ny ahiahy. Nahoana ny IMRA izay voalaza fa tena tompon’ny CVO no tsy mbola tena vonona ny hamoaka ny singa rehetra hahafahana mahazo ny fahazoan-dàlana feno hamarotana azy eny amin’ny tsena na AMM? Tsy sanatria fanakianana be fahatany ity vokatra Malagasy ity, fa misy zavatra mety mbola tsy tena milamina hakana toky sy antoka tsara ao, toy ny fenitry ny tambavy. Azo atao tsara mantsy ny mamoaka ny anaran'ny akora nanaovana azy sy miaro izany eto Madagasikara sy iraisam-pirenena ary tsy tokony ho sakana amin’ny fanjakana ny resaka ara-bola, raha efa tena feno ny antoka. Tsy ny famokarana tambavy no olana, fa ilay fanarahana fenitra. Efa nandeha, ohatra, ny fampisotroana ny olona faobe vao nampahafantarana fa misy sokajin’olona tsy tokony hisotro. Tsisy fazavana na “notice” fa taty aoriana vao hoe hatao. Tena voafehy ve ny fampiasana azy? Efa nandefa hatrany ampitan-dranomasina anefa isika, ary misy aza ny vaovao sasany milaza fa efa hamidy 15 euros isaky ny tavoahangy izy ity any ampita. Andrasana anefa izay mety ho fanampim-panazavana na fandisoana avy amin’ny fanjakana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana