Dans la mme rubrique

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

29/05/2020

Nampanantsoin’ny sampana misahana ny heloka bevavan’ ny zandarimariam-pirenena omaly maraina nohadihadiana momba ny fahafatesan’i Dr Daniel ny alahady 24 mey teo ny Pr Ralandison Stéphan Lehiben’ny CHU Toamasina sady Sojaben’ny Fakioliten’ny Fitsaboana any an-toerana.

Mafampana ny ao Toamasina Nohadihadian’ny zandary ny Pr Ralandison

Hamaky ny tohiny...

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

29/05/2020

Misaona ny faritr’Analanjirofo satria dia nodimandry omaly maraina ny lehiben’ny faritra vonjimaika, Honoré Tsaramandihy.

Analanjirofo Nodimandry tampoka ny lehiben’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

28/05/2020

Noho ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19 eto amintsika sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra dia fantatra fa tsy azon’ny rehetra hatrehina toy ny isan-taona ny fankalazana ny fety amin’ity taona 2020 ity.

Fankalazana ny fetim-pirenena Tsy azon’ ny rehetra hatrehina

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

28/05/2020

Nianga omaly tao Toamasina ireo vazaha mpiasan'Ambatovy. Fiaramanidina miisa telo an’ny Tsaradia, rantsan’ny kaompania Air Madagascar no naka azy ireo tao Ambalamanasa nihazo an’Antananarivo, avy eo mandray ny sidina manokana mankany ivelany.

Orinasa Ambatovy Mpiasa 850 handao an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

28/05/2020

Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel

Ikongo Foto-drafitrasa vita tamin'ny fanjanahantany no betsaka

Hamaky ny tohiny...

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

27/05/2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

27/05/2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Tonga eto Iarivo ry Zoto 5 mianaka 12 000km natao herintaona…

13/05/2020

Nigadona teto Antananarivo omaly 12 mey, ry Zoto 5 mianaka, rehefa avy namakivaky tanàna maro niainga tany Vangaindrano. Randrianarison Maurice na « Zoto » mivady, dia avy any Vangaindrano fa monina any Antsiranana.

 

 Nandeha bisikileta sy tongotra naka ny zanany 3 tany Vangaindrano hody noho ny fahafatesan'ny raibeny nitaiza azy ireo. Nanaraka ny morontsiraka antsinanana mandra-pahatonga tany vangaindrano. Mbola nihodidina ny Atsimo manontolon'ny Nosy nandeha an-tongotra ary nanosika bisikileta feno entana kosa rehefa niverina fa tsy nandeha tamin’ny làlany nandroso. Niala tao Vangaindrano - Tolagnaro- Amboasary - Ambovombe - Tsihombe - Tranoroa - Ampanihy - Ejeda - Betioky - Andranovory - Toliara - Andranovory - Sakaraha - Ihosy - Ambalavao - Fianarantsoa - Ambohimahasoa - Ambositra - Antsirabe - Antanifotsy – Ambatolampy, ary omaly izy ireo no tafiditra teto Antananarivo. Notsenaina tamin’ny fomba makotroka teny Bongatsara, Andoharanofotsy Tanjombato, hatreny Andranomena. Hatao fitiliana coronavirus izy ireo, raha ny vaovao azo omaly hariva. 12 000 km natao herintaona teo no voalaza fa efa vitan-dry zareo. Mandeha 50 hatramin’ny 100 km vao mahita tanàna, ary misy fotoana matory anaty ala.

LOUIS MICHEL RAMORASATA DIT ZOTO (1949-2013)

 Raha ny tantara, dia Ratompokolahy Louis Michel Ramorasata no nitondra ny anarana « Zoto » voalohany. In-telo izy no nihodidina an’I Madagasikara, ka 21.600 km no totalin'ny lalana vitany: 9 mey 1976 ka hatramin’ny28 janoary 1977; 3 aprily 1983 ka hatramin’ny 6 novovambra 1983; 1 aogositra 1988 ka hatramin’ny 25 janoary 1989. Mpampianatra, mpanao gazety, coursier, “agent de maitrise de lubrification”... no asa nataony fahavelony. Nanoratra ny boky «Trois tours de madagasikara a pied», «Aller vers l'autre» no hafatra nampitainy tamin'izany hikatsahana ny fihavanana na dia ao anatin'ny sarotra aza. Nodimandry teo amin’ny faha-69 taonany ny 22 martsa 2013 tao amin’ny hopitaly Befelatanana izy vokatry ny takaitran’ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy ny 9 desambra 2012.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana