Dans la mme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mihazakazaka ny fihanaky ny Covid 19 15 tao Toamasina, 3 tao Moramanga...

14/05/2020

Notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly fa olona 20 be izao no voamarina fa tratry ny Coronavirus tamin’ny fitiliana natao ny afak’omaly 12 mey tamin’ny 8ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva.

 

 

 

 

Niakatra ho 212 ny olona voa, ka 107 no efa sitrana, ary 105 kosa ireo manaraka fitsaboana. Tsy misy marary atahorana ny ainy. 15 tamin’ireo tranga vaovao dia tany Toamasina avokoa ka lehilahy ny 6 ary vehivavy ny 6; miisa 3 tao Moramanga ka lehilahy ny 2 ary vehivavy ny iray; lehilahy 2 kosa ny teto Antananarivo. 18 taona hita tany Toamasina ny zandriny indrindra, ary 67 taona ny zokiny indrindra izay tao Moramanga no nahitana azy. Tao anatin’ny herinandro dia tsy mitsahatra ny mitombo ny olona voa any Toamasina, ka niainga avy ao Ambatovy no niparitaka ny ankamaroany. Nahatezitra ny Filoham-pirenena ny mbola fivoahan’ny olona tao. 93 hatramin’ny niandohan’ny coronavirus ny voa tany Toamasina, ka 23 no sitrana, ary 70 mbola tsaboina avokoa. Avo roa heny amin’ny olona mbola tsaboina ny sitrana eto Antananarivo, ary efa mananika ny avo telo heny amin’ny sitrana kosa ny marary ao Toamasina. Tsindriana manokana I Toamasina noho zava-misy, kanefa tsy tokony ho varimbariana ny amin’ny toerana hafa, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Amin’ny maha tsimokaretina vaovao, dia sarotra ny mifehy azy, ka ilàna fitandremana, indrindra ho an’ny olona marefo. Ireny no tena mora lasibatra sy sarotra tsaboina, ary avy amin’ireo no tena betsaka namoizana ain’olona maro manerana izao tontolo izao, ka 2300 eo ny taty Afrika. Ny olona marefo no tena ilàna fameloman’aina avo lenta raha sanatria voa. Isika manana ny CVO, izay tambavy sotroina, fa mifameno amin’izany ihany koa ny fanajana ireo fepetra fa tsy hoe rehefa avy nisotro dia afaka mifampitakoson na koa tsy manasa tànana, hoy io manam-pahaizana io.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana