Dans la męme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Pr Rafatro Herintsoa "Mafy hery fiarovana ny Malagasy"

14/05/2020

Mafy toto ny Malagasy ary mahery ny hery fiarovantsika amin’io aretina covid-19 io. Efa maro ihany koa ny aretina nisy, toy ny gripa H1N1 fa tsy nisy Malagasy maty, hoy ny Pr Rafatro Herintsoa.

 

 

Tena resy lahatra aho, hoy izy, fa ny fomba fitsaboana nolovaina no tena hahafahantsika mifehy ity valanaretina ity. Ny nataon’ny sinoa dia nanangana hopitaly goavana. Ny any amin’ny ilabolan-tany avaratra, dia nampiasa ny fitsaboana iraisana, saingy hitantsika ny vokany. Ny antsika vao hoe tafiditra ny covid-19 dia ringitra ny ravin-tsara, kininim-potsy, ny voasary makirana nifanotofana,… 100% latsaka kely angamba dia mampiasa ny fitsaboana nolovaina, ary tena nanavotra, ka izay no tsy nahafaty antsika tamin’io valanaretina io, raha ny nambarany. Kely ny narary eto raha mitaha ny any amin’ny firenen-kafa. Ny ankamaroan’ny fanafody ampiasaina any amin’ny Fitsaboana ifanekena na “médecine conventionelle”, dia nivoaka avy amin’ny fomba fitsaboana nolovaina. Ny Eucalyptole, ohatra, dia nalaina avy amin’ny zava-maniry toy ny ravin-tsara. Ny ACT hitsaboana ny tazomoka, dia avy amin’ny Artemisinine amin’ny Atremisia. Ho ahy manokana, dia avelao ny olona hampiasa ny raokandro araka ny fampiasany azy sy ny nahazatra azy. Ny mpikaroka manam-pahaizana avy eo no manangona sy mandalina ny fahaiza-manao, hoy ity Profesora ity. Nahomby ny fiarovan-tena, fa saingy izao hoe rehefa tena marary, dia manantona ny dokotera sy toeram-pitsaboana, hoy izy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana