Dans la mme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miparitaka ny Covid-19 Mihorohoro i Moramanga

14/05/2020

Mihorohoro tanteraka ny mponina ao Moramanga noho ny resaka coronavirus. Olona 87 no nahiana ho nifindran’ity valanaretina ity noho ny fifampikasohana tamin’ilay olona iray efa voamarina fa voa.

 

 

 Efa niakatra ho 3 ny trangana covid-19 hatry ny omaly. Mitaintaina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana. Misy mihitsy aza no efa mangataka ny hanajanonana manontolo ny fampianarana aloha. Toerana be mpivezivezy i Moramanga, ary somary mangatsiaka mety tsara amin’ny coronavirus ny toe-tany. Miha henjana ny fampanajana fepetra sy ny fanomezana toromarika ny vahoaka. Nizara fitaovana araka izay vitan’ny tena izahay, toy ny arovava, nizara bidons sy akora fidiovana,… Efa voatety ireo kaominina rehetra ao anatin’ny distrikan’i Moramanga, ka nahazo arotava ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana, hoy ny solombavambahoaka Lova Rajaobelina voafidy tao Moramanga. Na izany aza mbola mafy ny fitaintainana. Na izany, aza maro ny velon’ahiahy tsy any ihany, toy ny eto an-drenivohitra ahitana ray aman-dreny manapa-kevitra tsy handefa ny zanany any an-tsekoly ka misafidy ny hoe: aleo very taona iray fa tsy olana. Ny fitiliana faobe ihany no isan’ny vahaolana lehibe sy mahomby hahafantarana izay voa sy hahafahana mifehy ny valanaretina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana