Dans la mme rubrique

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

27/05/2020

Any Toamasina I dia tsy roa izany no maty ka miangavy anao Praiminisitra manaova valan-dresaka amin’ny mpanao gazety tahaka ny ataon’ny Praiminisitra Frantsay Edouard Philippe miteny ny zavatra marina hoe: firy ny maty tao Toamasina sy Antananarivo.

Roland Ratsiraka “Tsy 2 izany fotsiny no maty"

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

27/05/2020

“Tsy isaky miteny dia lazaina fa mirediredy na mpanohitra bontolo. Tsara ho fantatra, ekena fa nahazo ny maro an` isa ny fanjakana tamin` ny fifidianana solombavambahoaka na filoham-pirenena,

Ady amin`ny Covid-19 “Tsy raharahan` ny mpanatanteraka irery io ”

Hamaky ny tohiny...

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

Hamaky ny tohiny...

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

27/05/2020

Mba hahafahana mandresy ny aretina COVID 19 hatramin’ny farany dia nahita hevitra vaovao ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Fanentanana momba Covid 19 Hisy kamiao 12 hivezivezy hanaitra ny rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

27/05/2020

Misy risika be sy mety hanova ny fihetsiky ny olona ny fandevenana olona matin’ny covid-19 toa fandevenana olona matin’ny pesta ity tahaka izao, indrindra ity rodorodo be sy toa fampisehoan-kery ity.

Tahotra ny ho very faty Hisitrika ireo mety voan’ny Covid-19…

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Rivo Rakotovao “Mitaky paikady mazava ny fitrosana lehibe"

14/05/2020

Nandritra ny fakan-kevitra niarahana tamin` ireo mpahay toekarena eto Madagasikara omaly dia nanambara ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao

 

 

fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana olona ampy traikefa amin’ny lafiny hay toekarena toy izao, izay tsy mitsahatra mikaroka ny tombotsoan’ny firenena. Samy mitsinjo izay mety hahasoa ny firenena ny tsirairay ankehitriny indrindra amin’izao krizy maneran-tany izao ka samy mijery ny paika rehetra ho entiny hanarenana ny tanjaka ara-toekarenany. Tokony ho sahy ihany koa hoy izy ny fitondram-panjakana hiroso amin’ny fitrosana lehibe kokoa entina hampiakarana ny harin-karena fa mitaky paikady mazava tsara anefa izany, hoy hatrany izy. Natao izany fifanakalozan-kevitra izany mba hahafahan’ny loholon’i Madagasikara mahafantatra bebe kokoa momba ny toekarena eto Madagasikara, mba hahafahan’izy ireo mampitombo ny traikefa izay efa ananany ary mba ahafahana maneho hevitra amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana taona 2020 nasiana fanovàna izay handalo eo anivon’ny parlemanta roa tonta. Na dia eo aza izany dia tsy maintsy miainga amin’ny finiavan’ny mpitondra no hahafahana manatanteraka ny fampandrosoana ny firenena.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana