Dans la mme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toamasina sy Ambatovy Minisitra 6 tonga masiaka nanao bemidina

15/05/2020

Minisitra 6 be izao mpikambana ao amin’ny Governemanta no tonga tany Toamasina omaly, izay notarihin’ny Minisitry ny Atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19.

 

Miisa 92 ny tranga voamarina, ary 23 ny efa sitrana any Toamasina, raha ny fanazavana. Isaorana an’Andriamanitra satria mbola azo lazaina hoe tsy mbola miparitaka be tahaka ny maneran-tany, hoy ny Minisitry ny Atitany. Niresaka tamin’ny tompon’andraikitra Ambatovy satria avy ao no nipoiran’ny ankamaroan’ireo “cas contact”. Nambaran’ny Minisitry ny atitany fa mbola ho avy ao Ambatovy ny minisitra miisa 2 anio hijery ny zava-misy sy ny paikady hoenti-mifehy ny coronavirus. Tsy maintsy zohiana ireo nifanerasera rehetra tamin’ireo mety mitoindra ny coronavirus. Nanentana ny Minisitry ny atitany, fa tsy hahilika fa tsaboina am-pahamendrehana ireny olona ireny. Hametrahana toerana hahafahana mandray an-tànana olona 50 ihany koa ao Toamasina, raha ny fanazavana ka eny amin'ny foyer social Canada no hanomboka handray marary amin'ny sabotsy izao. Nisy ihany koa moa omaly ny fitsidihana an’i Toamasina II nizarana covid organics.

Toky R 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana