Dans la mme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanàna iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tafiatraka 15 ny voa Lasa ivon’ny covid-19 i Moramanga

15/05/2020

Ny any Toamasina tsy voafehy, ary mifindra tsikelikely miha rakotra ihany koa i Moramanga, izay efa 15 sahady ny tranga tato anatin’ny andro vitsy. Efa azo sokajiana ho ivon’ny covid-19 eto Madagasikara na “épicentre”.

 

Teo aloha dia nitovitovy tamin’ Antananarivo sy Toamasina ihany ny zava-nisy. Mafy loha ny olona, tsy misy manao famendrahana fiara, tsy misy fanadiovana, efa nosakanana ilay fivezivezena mankany ambanivohitra, fa toa niverina indray, misy manao jonobotry mangingina ny fiara kely mitondra olona miakatra an’Antananarivo ka 30 000Ar ny saran-dàlana. Tena mila jeren'ny fanjakana akaiky i Moramanga. Ankehitriny, efa mba miezaka manao arotava ny olona vao noho ny fahamaroan’ny voa. Nampiharina mafy kokoa ilay hoe mamafa làlana izay tratra tsy manao. Lasa miteraka ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpanohana ny filoha Rajoelina any an-toerana ilay fitavozavozana mandray andraikitra. Omaly, nampiantso ireo tompon'andraikitra maro tao Moramanga ny Governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro, niara-nidinika ny olana sy vahaolana. Hisy fanorenana trano fiasana sy fakan’aina ho an’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireo « barrage sanitaire » ao Marozevo sy Beforona. Hampitomboina ny isan'izy ireo satria hiasa 24/24. Hisy ny fiara manokana hitatitra ireo tompon'andraikitra hisahana ireo sakana roa tonta ireo, ary ny orinasa Ambatovy no hamatsy ny sakafo ho azy ireo.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana