Dans la męme rubrique

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

27/05/2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

27/05/2020

Hita ny marainan'ny omaly 26 mey 2020 tamin'ny 6 ora ny vata mangatsiakan' Itompokolahy Tsilangoui Angelico, Zandary kilasy faharoa niasa tao amin'ny

Lakandranon’i Pangalana Hita fatin’ilay zandary latsaka tanaty rano

Hamaky ny tohiny...

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

27/05/2020

Mampahatsiaro ny fanambaran’ny akademian’ny fitsaboana taorian’ny fotoana nampahafantarana voalohany ny fisian’ny tambavy CVO na Covid organics ny zava-mitranga ihany koa amin’ny ady hevitra tsy mety vita momban’ny

Raharaha CVO sy Coliseum Izay miresaka ao Ambohitsorohitra dia miova hevitra

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

26/05/2020

Lehilahy miisa 29 avy any Ambatolampy no tratra niditra an-tsokosoko tao Androhibe Antsahadinta omaly.

Androhibe Antsahadinta Olona 29 avy any Ambatolampy tratra niditra an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Razana saika nentina tany Faratsiho Nalevina teny Anjanahary tampoka…

25/05/2020

Somary nanaitra ny nahita fandevenana razana nitranga ny maraimben’ny sabotsy teo tetsy amin’ny simetieran’Anjanahary.

Razana saika nentina tany Faratsiho Nalevina teny Anjanahary tampoka…

Hamaky ny tohiny...

Trafika tany Toliara "Camion frigorifique" no nitaterana hazo

25/05/2020

Fomba avo lenta indray no nampiasain'ny mpitondra hazo tsy ara-dalĂ na. Fiara lehibe manokana, "camion frigorifique" no nitondrana hazo tsy ara-dalana niditra tao Toliara ny sabotsy 23 may teo tany Toliara.

Trafika tany Toliara "Camion frigorifique" no nitaterana hazo

Hamaky ny tohiny...

Hazomanga ao Bekopaky Nitaraina ho norahonana depiote

25/05/2020

Solombavambahoaka iray lany tany amin’ny Distrikan’Antsalova no voalaza fa nanao kabary masiaka tena miendrika fampihinanana maloto Raiamandreny Hazomanga sy ireo fokonolona mihitsy any amin’ny fokontanin’i Bekopaky, kaominin’Ambanivohitr’i Bekopaky, distrikan’Antsalova.

Hazomanga ao Bekopaky Nitaraina ho norahonana depiote

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Madagasikara Tsy hisy zava-banona anaty fisaraham-bazana

15/05/2020

Malaza ny fanetsehana ny hambo-po Malagasy sy Afrikanina hanova ny tantara eto amin’izao tontolo izao izay zava-dehibe tokoa.

 Mila mijery izay tena iombonana anefa io miantomboka amintsika Malagasy. Rehefa miray hina ihany mantsy vao afaka mibanjina tanjona iombonana sy miasa manatanteraka izany. Efa nisy ohatra velona nentin’ny Barea aloha fa inona ihany koa ny ankoatr'izay? Tsapa fa fiarahamonina samy maka ho azy mantsy no misy hatreto aloha, ka na fiandrianam-pirenena¬ aza mbola mampiady hevitra. Ny covid-19 mbola misy milaza hoe tsy misy, ny tambavy vita Malagasy lasa mampisara-bazana ny Malagasy. Ny azo antoka aloha dia mila manana haitarika na “leadership” mafy be ny mpitondra izay vao miroso amina zavatra hafa. Ny fanontaniana tsy maintsy valiana alohan'io dia ny hoe: inona avy ireo zavatra marary ny Malagasy amin’ny fiainany. Ireo no tsy maintsy ahitam-bahaolana aloha, vao afaka miroso amina tanjona lavitr’ezaka kokoa. Olona misy tebitebin-tsaina isan'andro tsy afaka hirotsaka hiasa amin’ny tombotsoa iombonana hampandrosoana ny firenena. Mbola lalina ny hantsana eo amin’ny entina sy ny mpitondraa, ary samy manana ny laharam-pahamehana ho azy. Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana, ohatra, dia 6/100 ny naoty azon’I Madagasikara ny taona 2019, izany hoe tsy mahalala izay lohany sy vodiny amin’ny ambara fa fampandrosoana handaniana volam-panjakana ny olom-pirenena. Mila miainga avy any ifotony ny hetaheta sy ny tetikasa, fa ny hita eto dia hoe izay metimety amin’ny mpitondra:hanao building izahay, hanao tanàna goavana, ozinina goavana indrindra aty Afrika,… Tsara ireny, saingy ny 80% amin’ny Malagasy dia tantsaha mandry tsy lavoloha amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fiompiana sy ny fambolena no hivelomany tsy misy tan-tsoroka, ny vahoaka tsy an’asa ary amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny 75%. Ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy no tantsaha, kanefa mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo I Madagasikara. Mila fandinihana!

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana