Dans la męme rubrique

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

23/05/2020

Taolan-dava miisa 134 no hita tamina toeram-panariam-pako iray tao Marovato fokontany Antanandava distrakan’i Toamasina II faritra Atsinanana, 20 may lasa teo.

Toamasina Taolam-paty 134 isa hita tao anaty fako

Hamaky ny tohiny...

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

23/05/2020

Antony 3 mazava no azo lazaina fa nampiakatra ny isan'ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 aty amin'ny distrikan'i Moramanga, hoy ny tompon'andraikitry ny tanĂ na iray tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana.

Moramanga Ireo antony mahamaro ny voan'ny covid-19

Hamaky ny tohiny...

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

23/05/2020

Tranga 43 vaovao no notaterina omaly izay ny 38 tany Toamasina ary 5 teto Antananarivo, ka nampiakatra ny isan’ny voa rehetra ho 448. Tao anatin’ny fitiliana 147 nataon’ny IPM izay avy any Toamasina fa notiliana teto Antananarivo dia nahitana tranga 20.

Mampihoro-koditra ny Covid-19 Tafiakatra 448 ireo voa, 2 marary mafy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

22/05/2020

Niakatra ho 405 ny olona voan’ny Coronavirus na Covid-19 eto Madagasikara, ka 79 ny indray voa, raha hatambatra ny valin’ny fitiliana ny talata sy ny

Antananarivo, Toamasina.. 79 indray voan'ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

22/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

Hamaky ny tohiny...

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

22/05/2020

Nanameloka ny fikitihana tsy am-piheverana sy fananganana “coliseum” eny anatirova ny Fianakaviamben'ny Andriana eto Imerina tarihin’ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina,

Printsy Dr Ndriana Rabarioelina "Fanotana fady io atao ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

22/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fanatontosana fitiliana Ny ataon'iza no tena azo antoka ?

15/05/2020

Nametram-panontaniana ny mpanara-baovao tamin` iny herinandro iny ny tarehimarika tsy mitovy navoakan` ny CCO sy ny an` ny OMS, 35 ny an` ny CCO raha 67 ny an` ny OMS.

 

 

Naverina notiliana indray moa ireo olona ireo taorian’ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany Toamasina tamin’ny 7 mey lasa teo. Ny Centre d'Infectiologie Charles Mérieux na CICM eny Ankatso Antananarivo no nanao ny fakana singa fa ny fitiliana kosa dia samy nanao ny azy na ny CICM na ny IPM, ka nampitahaina ny valiny avy eo. Raha ny zava-misy aloha dia samy diso izany ny tarehimarika na ny navoakan` ny fanjakana na koa ny OMS. Fanontaniana tena mipetraka izao dia iza no azo atokisana raha hanatontosa fitiliana faobe? Marihana fa tao amin` ny nosy Maorisy, 70 000 mahery ny fitiliana faobe natao tao aminy. Tany Frantsa, 11 tapitrisa. Eto amintsika dia maherin` ny 5000 isa ny fitiliana no vita kanefa dia efa misy fahadisoana sahady. Nilaza moa ny fanjakana fa hotohizana hatramin'ny farany ny fanadihadiana lalina ahitana izay nahatonga ity olana goavana ity sy ny tompon'andraikitra tamin'izany. Havoaka ho fantatry ny besinimaro izay vokatra faran'ny fanadihadiana rehetra. Dia ahoana ny tohiny avy eo ?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana