Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Manizingizina ny IPM "Tsisy lesoka ny fitiliana nataonay"

16/05/2020

Namaly bontana ny fanjakana eo anatrehan’ny raharaha antontan’isa sy ny filazana fa tsy afa-po tamin’ny fanazavana nentiny tamin’ny alalan’ny tafa tamin’ny mpanao gazety ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM omaly.

Tsy nanatanteraka fakana ireo singa hatao fitiliana na ny « prélèvement » an’ireo olona nahiana ho voa ireo ny IPM raha ny fanazavany omaly. Tsy tompon’andraikitra tamin’ny fitondrana ireo santionana singa hatao fitiliana noho izany ny IPM, fa nandray an-tànana an’ireo fotsiny dia nanao ny fitiliana. Nanitrikitrika fa tsy nisy mihitsy ny lesoka sy tsy fihetezana tamin’ny fitiliana sy fikirakirana na « diagnostic » tamin’ireo singa natao fitiliana. Manana ny traikefa feno sy mahafeno ny fepetra momba izay “diagnostic” izay ireo mpiasa nanao ny “diagnostic”, hoy ny IPM.Manampy izay, in'efatra averina ny fitiliana iray izay vao mivoaka ny valiny, hoy ny fanazavana. Ahiana araka izany ny hoe tany amin’ny “prélèvement” na ny fitondrana azy no mety ho nifamindran’ireo singa nanaovana fitiliana. Tsiahivina fa ny 67 ireo olona efa voalaza fa voa ary navoakan’ny OMS ny antontan’isa, saingy tsy nahatoky an’izay ny fanjakana, izay efa namoaka isa ofisialy 35. Naverina ny fitiliana ka 55 no vita, saingy ny 5 ihany no voamarina fa voa tamin’ny “contre-test” nataon’ny CICM. Andrasana izay ho valin-kafatry ny fanjakana, izay nilaza fa tsy hanaiky mora fotsiny ary hanao fanadihadiana lalina rehefa tsy afa-po tamin’ny fanazavan’ny IPM. Tsy resaka teknika fotsiny ity raharaha ity fa efa tafiditra ao ny raharaha ara-diplaomatika sy ny politika ifanolanantsika amin’ny Frantsay, izay mafampana ankehitriny.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana