Dans la mme rubrique

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

11/08/2020

ahatratra 10.816 hatreto ny fitiliana vitan’ny laboraotoara la2m eny androhibe analamahitsy raha araka ny fanazavan’ny profesora zely

Laboratoara LA2M Efa nahavita fitiliana singa 10.816 isa

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

11/08/2020

Olona miisa 3 teto amin’ny Faritra Analamanga indray no lavon’ny Covid-19, ka nampiakatra ny isan’ny maty hatramin’izay ho 151, araka ny tatitra nataon’ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 3 maty, 116 tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

11/08/2020

Tsisy fototr’antontan’isa mazava niaingana nilazana fa tratra amin’ny volana aogositra ny PIC na isa ambony indrindra amin’ny olona voan’ny covid-19, hoy i Marc Ravalomanana.

Manahy momba ny covid-19 Ravalo “Mbola tsy tratra ny PIC ary mbola hiakatra io”

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

10/08/2020

Namoaka fanambarana ny minisiteran` ny fahasalamam-bahoaka fa maro ireo toeram-pitsaboina sy hopitaly tsy miankina milaza fa manao fitiliana momba ny valanaretina Covid 19.

Covid 19 Ireo nahazo alalana ihany no afaka manao fitiliana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

10/08/2020

148 ny maty, kanefa na iray aza dia marary izany, ka ny tambavy CVO no nambaran’ny Filoha, fa nahafaha-nifehy ny fidangan’ny fahafatesana. 1 890 051 ny CVO “Pack familial” nozaraina nanerana ny Nosy,

Ady amin’ny Covid 19 Tsy mangarahara ny momba ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

10/08/2020

Olona 13 no lavon’ny coronavirus tao anatin’ny 48ora farany satria 6 ny sabotsy teo (03 Analamanga, 02 Vakinankaratra, 01 Matsiatra Ambony), ary 7 kosa omaly alahady (05 Analamanga, 01 Betsiboka, 01 Matsiatra Ambony).

Covid 19 Madagasikara 13 no maty tao anatin’ny 48 ora

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

10/08/2020

Tonga omaly 9 aogositra 2020 teny amin'ny seranam-piaramanidina Bani Ivato ny fiaramanidina nitondra ny andiany voalohany tamin'ireo "concentrateurs d'oxygène" sy ireo "lunettes nasales à oxygène".

Ady amin’ny Covid 19 Tonga ny andiany voalohan’ny “concentrateurs d'oxygène"

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Paul Rabary Tokony hajanona amin’izay ny fihibohana

16/05/2020

Natao hifehezana ny olona sy ny tanàna tao anatin’ny fikoropahana noho ny fidiran’ny coronavirus ny “hamehana”.

 

Tsy mihoatra ny 2 volana na 3 volana anefa io, izany hoe tsy mandavan-taona, hoy i Paul Rabary Minisitra teo aloha sady mpahay fiarahamonina. Raha taritina herintaona ny hamehana, dia tsy fahombiazana izany ny nitantanana azy. Makany amin’ny fijerena izay laharampahamehana amin’izay na “géstion de priorité” no tokony hatao. Rehefa mamaritra an’io dia mikitika ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hifanaraka amin’ny laharampahamehana satria ny lalàna niaingaina tamin’ny 2019 tsy nisy resaka coronavirus, fihibohana, tsy nisy hoe tsy mianatra ny mpianatra, tsy miasa ny mpiasa,… Ny volantsika nitotongana nihena ny sandam-bola, ka ny dikan’izay hiakatra ny vidin’entana satria 70 na 80% amin’ny zavatra hoanintsika hafarana, eny fa na ny fitafiana aza. Etsy andaniny miakatra ny sandam-bola, kanefa etsy ankilany ny olona tsy afaka miasa izany hoe misy elanelana be ao. Mila misafidy isika hoe inona no tokony havotana ary inona no tokony hatosika? Inona ny tsy ho avotra intsony? Tsy mety intsony ny fihibohana. Ny olombelona tsy natao hihiboka, ary ny fihibohana izany dia figadrana, hoy i Paul Rabary. Izay roa volana izay dia tokony efa nahazoantsika traikefa amin’ny hitantanana ny coronavirus, ary amin’ny aretina dia fisorohana sy fitsaboana no hany azo atao, hoy izy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana