Dans la męme rubrique

Antsahakely-Ambohidrapeto Mpangalatra no manjaka mandritra ny « couvre-feu »

16/07/2020

Mila ho isan’andro no andrenesana vaky trano sy halabotry raha ny tatitra hita amin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook.

Antsahakely-Ambohidrapeto Mpangalatra no manjaka mandritra ny « couvre-feu »

Hamaky ny tohiny...

Disadisam-piarahamonina sy politika Ben'ny tanĂ nan teo aloha, nisy nitifitra

15/07/2020

Voasambotra ireo jiolahy miisa dimy nanatanteraka mivantana ny fanafihana sy fitifirana ny Ben'ny tanĂ na teo aloha mivady ao Erada Distrika Ambovombe Faritra Androy.

Disadisam-piarahamonina sy politika Ben'ny tanĂ nan teo aloha, nisy nitifitra

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra omby halatra In-droa saika hanao kolikoly tamin’ny zandary

10/07/2020

Mpivarotra omby halatra miisa roa no tra-tehaky ny Zandarimaria nitondra sy nivarotra omby tsy misy taratasy tany Antandrokomby Anosibe an’ala ny andron'ny 04 jolay 2020.

Mpivarotra omby halatra In-droa saika hanao kolikoly tamin’ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Halatr`omby tany Befihamy Tafaverina ireo omby 86 nangalarin` ny dahalo

09/07/2020

Nitrangana halatr’omby indray tany Befihamy Kaominina ambanivohitra Marotsiraky, ny alin’ny 07 jolay 2020 lasa teo, ka omby 86 no lasan’ny dahalo tamin’izany.

Halatr`omby tany Befihamy Tafaverina ireo omby 86 nangalarin` ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Analamahitsy Nasaina nifona tamin’ny vahoaka ilay mpangalatra

08/07/2020

Lehilahy iray fantatra fa any Ambatofotsy no tratran’ny fokonolona nangalatra omaly talata vao maraim-be teny Analamahitsy.

Analamahitsy Nasaina nifona tamin’ny vahoaka ilay mpangalatra

Hamaky ny tohiny...

Sambava Tratra ny vola sandoka sy basy vita gasy maro be

06/07/2020

Andian-jiolahy mpanao vola sandoka sady mpanefy basy poleta vita gasy tany amin'ny faritra Sava no tratra.

Sambava Tratra ny vola sandoka sy basy vita gasy maro be

Hamaky ny tohiny...

Amboditsiry Tratra ireo mpanendaka mpambotry fiaraha-monina

06/07/2020

Mpianatra iray hamonjy fodiana no nendahina mpanendaka miisa 03 teny Amboditsiry ka lasa tamin'izany ny finday niaraka tamin’ny valizy izay nisy antontan-taratasy maro mahakasika ny fianarany sy vatsy izay nomen’ny Ray aman-dreniny azy.

Amboditsiry Tratra ireo mpanendaka mpambotry fiaraha-monina

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Fanafihana Cash Point Lehilahy iray voatifitra teo amin'ny tendany

16/05/2020

"Cash point" iray teny amin'ny faritra Nanisana iny no nisy nanafika omaly zoma 15 mey ka nahaverezana vola mitentina 1.900.000 Ar sy naharatrĂ na olona iray.

  

 

 

Tokony ho tamin'ny 12 ora sasany atoandro no niditra tamin'ilay "Cash point" teo Nanisana Sapin ireto olon-dratsy miisa 02, tsy nisaron-tava ary nirongo basy. Nanapoaka basy in-droa avy hatrany ireto olon-dratsy ireto ary nanery ny tompon-toerana hanome azy ireo ny vola rehetra tao aminy. Rehefa azony avokoa ireo vola mitentina 1.900.000 Ar eo ho eo dia lasa nandositra izy ireo ary teo am-pandosirana dia mbola nanapoaka basy indray koa. Raha ny fitantaran'ny manodidina dia efa nisy lehilahy 02 hafa nitondra moto scooter niandry azy ireo tsy lavitra teo ka lasa nandositra niazo an'Ampasapito izy ireo. Ny iray tamin'ireo mpitondra moto moa no fantatra fa nisaron-tava. Manoloana izany dia tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy avy ao amin'ny CSP8 Analamahitsy sy ny UIR. Efa misy ihany koa ny "Ratissage" izay hataon'ny kaomisaria rehetra eto an-drenivohitra entina hikarohana ireto olon-dratsy ireto. Lehilahy mpanjifa iray, tao amin'io "Cash point" io no naratra nandritra ny fanafihana, voatifitra teo amin'ny tendany ka efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.

Pati

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana