Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fomba fiainana Hiova noho ny coronavirus

19/05/2020

Mety ho tafiditra ao anatin’ireo aretina hiara-hiaina amin’ny olona eny anivon’ny fiaraha-monina mandavan-taona ny coronavirus amin’ny ankapobeny. Anisan’ ireny ohatra ny tazo, mivalana, gripa madinika….

 

 

 

Ny fomba fiaina mihitsy araka izany no mila ovaina hoy dokotera Fidy Bariniaina ao amin’ny Clinique Fidy etsy Ambatomainty. Mila miomana foana hoy izy ny olona iray fa na dia ny olona akaiky azy aza dia mety ho salama nefa mitondra ilay tsimok’aretina. Ilaina mandrakariva araka izany hoy izy ny manao aron-tava hiarovana ny mikraoba tsy hiditra eo amin’ny vava sy ny orona. Ny tanana ihany koa hoy izy tsy tokony hikasika ny vava na ny orona satria iny tanantsika no mety hampiditra mikraoba any anaty, indrindra raha nikasika zavatra nokasian’olona marary. Tsy mifampiarahaba sy tsy mifandray tanana intsony ihany koa aloha hoy dokotera Fidy na dia fahalalam-popmba bitika aza izany ary hajaina foana ilay elanelana 1 metatra. Mikasika ny vatana manokana dia tokony ho ampy torimaso hatrany ny tsirairay. Ora valo isan’andro no andrasana ho an’ny tsirairay ary raha sanatria ka misy aza ny fiaretan-tory tsy maintsy natao dia ezahina ny manonitra izany amin’ny atoandro. Tokony ho ampy protein ihany koa ny vatana toy ny hena, ny trondro, ny atody, ny soja. Tsy hatao ambanin-javatra ny sakafo misy hery fiasana izay manone hafanana toy ny vary, ny hanin-kotrana, mofo misy lafarinina. Ary farany ny fampitomboana ny fihinanana voankazo sy legioma. Mikasika ny trano manokana dia tokony hadio lalandava izany, azon’ny rivotra sy masoandro hahafahana mamono ilay mikraoba tafiditra.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana