Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Serasera mikasika ny CVO Misy lesoka hatrany

19/05/2020

Hatramin’ny nampahafantarana azy voalohany indrindra izay efa nampiaiky olona maro fa solafaka avy hatrany satria serasera politika no nialohan’ny

 

serasera medikaly no tsy nitsahatra nahatsikaretana lesoka ny serasera mikasika ny tambavy Covid organics izay nambaran’ny filoham-pirenena moa fa vokatra hitan’ireo mpikaroka malagasy hisorohana sy hitsaboana ny COVID 19. Mety azo ekena ihany ny hoe tsiambaratelo medikaly ny tsy fampahafantarana ny Kasinga hafa mameno azy io saingy tara kosa ny fampahafantarana ireo mety ho fiantraikany ara-pahasalamana ho an’ireo tsy tokony hisotro azy. Isan’ny nambara ho tsy tokony hisotro izany, ohatra, ny bevohoka, ny marary voa, ny diabetika kanefa dia nahagaga indray ny naheno ny filoham-pirenena nilaza ny alahady teo fa nisy ny fikasana hanome ity CVO ity ilay olona iray nodimandry saingy tara loatra. Nahagaga koa ny fanamarihan’ny filoha fa tsy nisotro CVO ireo narary. Fa angaha moa mahazo misotro daholo indray? Zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra koa ve ilay vidiny 1500 ariary raha toa ka ireny niaraha-nahita ireny ny filaharany fanampiana isan-karazany ao anatin’izao krizy izao? Efa tapitra voatety nizarana azy io ve ny fokontany rehetra manerana ny nosy? Mety nisy nisotro koa tao fa tsy ampy daozy, ohatra, satria raha 1500 ariary ny 33cl, ny zaza sy ankizy misotro 33cl isaky ny 2 andro ao anatin’ny herinandro ary ny lehibe 66cl ao anatin’izay tetiandro izay ihany koa. Ho avy ny ririnina, mety ho maro ny vehivavy bevohoka. Misy olona voan’ny diabeta koa, ohatra, fa tsy mahafantatra hoe voan’izany. Mba efa voadinika daholo ve ny momba izany rehetra izany?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana