Dans la mme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo sy Toamasina Mitombo isa hatrany ireo marary

20/05/2020

Nohamafisin’ny CCO Covid-19 tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny dia ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan’ilay teratany Filipianina Ryan Reyes tao Ambatovy.

 

 

 

 

Notsaboina tao amin’ny Hopitalin’Ambatovy, nanaraka ny fitsaboana tao fa tsy nanaraka ny paipaikam-pitsaboana na ny “protocole” antsika Malagasy izay misy ny CVO izy, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Mitombo hatrany kosa ny olona voa. Fitiliana 61 no natao ny 18 mey, ka 34 tany Toamasina ary 27 teto Antananarivo, izay nahitana tranga 4 ka 2 avy ho an’ireo tanàn-dehibe roa ireo. 326 amin’izao fotoana izao no fitambaran’ireo voa rehetra, ka 207 ny olona mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Efa mihatsara ilay “forme grave” tao Anosiala, ka tsy hampiasana “oxygène” intsony. Ilaina hatrany ny fitandremana mafy sy ny fanajana ireo fepetra maro napetraka. Rehefa mahita olona eny an-dàlana dia mametraka andraikitra, ka raha misy olona marary sendra safotra, fanina, sempotra na mikohaka, dia aoka hajaina ny maha olona ilay marary, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Tsy voatery ho covid-19 ny trangan’aretina rehetra. Tsy tokony hitangoronana izy, tsy tokony halaina sary,… Ireo mahay ny resaka vonjy aina no tokony ho eo. Raha voatery tsy maintsy maka sary, dia mba takomy ny tarehiny. Raha tena ahiana sy misy soritr’aretina, dia efa misy ny laharana azo antsoina. Arovana ihany koa ireo olona mifampikasoka, ary izay no tsy tokony hitangoronana,… hoy ny fanentanana avy amin’ny Pr Vololontiana Hanta.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana