Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fitsaboana Coronavirus eto Madagasikara Miaraka ampiasaina ny Hydroxychloroquine sy CVO ?

20/05/2020

Tsy nampiasana ny CVO ireo olona roa namoy ny ainy noho ny coronavirus, raha ny seraseram-panjakana.

 

 

 

Ny ankamaroan’ireo voa dia nambaran’ny Filoham-pirenena, fa tsy nisotro io tambavy io. Tany am-piandohan’ny coronavirus, fony mbola tsy nisy ny CVO anefa, dia nambaran’ny fanjakana fa efa manana ny “protocole” manokana na fomba fitsaboana I Madagasikara. Tsy nambara mazava io “protocole”, saingy nisy resaka niely fa mifototra amin’ny hydroxychloroquine. Ny 8 aprily rahateo, dia nisy ny fanolorana fanafody Hydroxychloroquine miisa 6000 boaty avy amin’ny Vondron’orinasa Axian ho an’ny fanjakana nambara fa afaka hitsaboana marary miisa eo amin'ny 2000. Ny Filoha Tale Jeneralin'ity vondrona ity Atoa Hassanein Hiridjee mihitsy no nanolotra izany tamin’ny Filoha Rajoelina tao amin'ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Natokana hitsaboana ireo tratran'ny coronavirus ireo fanafody ireo, araka ny fampitam-baovao tamin’izany. Efa nisy rahateo ireo marary sitrana teto na mbola tsy nisy aza ny CVO. Iza marina izany ankehitriny no fitsaboana tena ampiasaina? Afa-miaraka ve ilay Hydroxychloroquine sy ny CVO sa najanona tanteraka ilay fitsaboana voalohany? Ankehitriny, dia mihamaro ireo voa, saingy mitsitaitaika ny fahasitranana, ka hirariana mba tena hahomby ny fanafody sy ny fitsaboana.

Toky R 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana