Dans la męme rubrique

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

26/05/2020

Raikitra ny fanadiovana sy famendrahana ranom-panafody iadiana amin’ny aretina coronavirus omaly teny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Alakamisy Fenoarivo Nisy lehilahy iray voan’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

26/05/2020

Ny 11 mey no nisian’ilay tenin’ny Filoham-pirenena fa 105 tamin’ny 171 ny sitrana tamin’ireo marary teto Madagasikara nentina nanaporofoana fa tena mahomby tambavy Malagasy CVO

Covid-19 eto Madagasikara Tranga 238 tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

26/05/2020

Niampy 15 ireo mararin'ny eto amintsika, izay hita tamin’ny fitiliana 201 natao, ka nampiakatra ny isa ho 542 hatramin’ny omaly. Filitiliana 164 no nataon’ny IPM teto Antananarivo, ka nahitana tranga 6 avy any Toamasina, 2 avy eto Antananarivo,

Coronavirus Voa ihany koa i Tsiroanomandidy

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

26/05/2020

Lasa lohalaharana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus ny ao Toamasina amin’izao raha teto Antananarivo no niandohan’izany.

Toamasina Nampitomboana ny isan’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

26/05/2020

Hatramin’ny fotoana nanaovan’ny filoham-pirenena fa anaty fahamehana ara-pahasalamana isika dia nandray fepetra avy hatrany ny kaominin’i Ranomafana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

Kaominin’i Ranomafana 2500 ariary ny CVO

Hamaky ny tohiny...

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

26/05/2020

Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Hopitaly Manara-penitra nataon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny Kaomandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Dokotera maty tany Toamasina Mety hitombina ny famonoan-tena, hoy ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

26/05/2020

Tsy mitsaha mitombo ny isan` ny coronavirus any Toamasina. Manoloana io dia miantso ny fandraisana andraikitry ny hery velona rehetra sy ny mponina any an-toerana ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I,

Mponin`i Toamasina “Mila fahatsiarovan-tena”

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fitiliana faobe manerana ny nosy Inona no sakana tsy hanaovana azy ?

20/05/2020

Raha ny zava-misy ankehitriny dia manomboka miha mafy ny ady: misy ny matin` ny Covid-19, mitombo isa ny faritra mihiboka,

 miha-mafy ny tsikera ataon` ny olom-pirenena fa leo ny fihibohana noho ny fivelomana… Sao dia efa tokony hiditra any amin’ny fanaovana fitiliana faobe ny fanjakana ,ahafahana mamaritra ireo olona mitondra ny tsimok’aretina fa tsy mihonona fotsiny amin’ny fitilina vitsivitsy isan-andro eto. Efa maro ireo fanehoan-kevitra momba io fitiliana faobe toy ny antoko HVM mahakasika izy io. na ireo mpahay toekarena. Antony dia mba ahafahan’ ny ankamaroan’ny Malagasy salama manohy ny fiainany andavanandro. Efa tena mihatra aman’aina tanteraka mihitsy ny fahasahiranana amin’izao fotoana izao, nefa ilay fihibohana tsy voafehy ny fanjakana. Raha misy ny fitiliana faobe mantsy dia voafehy ireo faritra tena ahitàna ny aretina. Efa maro ireo fanehoan-kevitra momba io fitiliana faobe toa an`ny HVM izay nanambara fa “Tokony omena fiofanana sy fitaovana entiny miaro tena koa ny mpitsabo, mpianatra mpitsabo ary ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra isam-paritra. Tokony haparitaka amin'ny faritra 22 ireo fitaovana fitiliana haingana sady atomboka ny fitiliana faobe isam-pokontany. Tokony hatsangana isaky ny renivohim-paritany ny laboratoire d'analyse hahafahana manao fitiliana lalina na PCR”. Ny zava-mitranga amin` izao dia ny aretina miparitaka ihany, kanefa ny toekarena mikatso tanteraka. Ny fanampiana izay nomen’ny fanjakana vitsy ihany no misitraka izany, ary misy ny fanavakavahana nefa samy sahirana avokoa ny rehetra.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana