Dans la mme rubrique

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

03/07/2020

Hikatona ho an’ny besinimaro ny sampan-draharaha fanaovana « Passeport » ny zoma 03 jolay 2020 araka ny fampahafantarana nataon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

Hamaky ny tohiny...

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

03/07/2020

Vahaolana azo antoka indrindra amin’izao aretina COVID 19 izao, hoy ny Dr Fidy Bariniaina, ny tsy fivoahana ny trano.

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

03/07/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho ny fiparitahan` ny aretina “coronavirus”. Tsy voafehy ny fiparitahan` ny aretina noho ny goragora ateraky ny kolikoly. Vokany,

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Niampy 39 ny voan'ny Covid-19 Misy marary mafy 6 ao Toamasina

25/05/2020

Tafiakatra 527 ny olona tratry ny coronavirus ho an’i Madagasikara nanomboka ny 19 martsa. 69 ny singa notilian’ny IPM teto an-dRenivohitra izay nitambatra tao na ny teto Antananarivo na ny avy any Toamasina, ka olona 10 tamin’ireo no voa, izay avy any Antsinana avokoa.

 

 

 

 

 Ny tany amin’ny Laboaratoire mobile tany Toamasina kosa dia olona 60 no notiliana, ka ny 10 tamin’ireo no nahitana covid-19. Miisa 20 izany ny tranga vaovao tany Toamasina. Ny CICM dia nanao fitiliana 234 ka tranga vaovao 10 no hitany teto Antananarivo. Ho an’ny HJRA Ampefiloha kosa dia 96 ny fitiliana nataony nahitana tranga 9, ka ny 6 avy any Ford Dauphin na Tolagnaro, ary ny 3 tany Toliara. 39 izany ny tranga vaovao nampiakatra ny voa hatrizay ho 527. Niampy 4 ny sitrana ka nampiakatra azy ho 142, ka ny 2 tamin’ireo sitrana vaovao dia teny amin’ny CHU Anosiala, ary ny 2 teny amin’ny CHU Andohatapenaka. Niampy 2 ihany koa ireo marary tena ahiana mafy ny ainy, ka tafiakatra 6 izy ireo amin’izao fotoana izao, izay any Toamasina avokoa. Mijanona ho 2 ny olona nodimandry. Izay mitranga rehetra dia tsy voatery ho vokatry ny covid-19, hoy ny Pr Vololontiana Hanta, manoloana ireo trangana fahafatesana sy olona midaraboka etsy sy eroa. 2 no namoy ny ainy avy amin’ny fahasarotana na “forme grave”, izay tsy voatery ho faty. Tsy hoe rehefa mitondra ny covid-19 ny olona iray, ka namoy ny ainy dia hoe tena tsy maintsy ilay covid-19 no nahafaty azy. Ny fisian’ireny aretina hafa, toy ny diabeta, no mety hiteraka ny “forme critique”, izay mila fanamarinana hoe: ny covid-19 no nahafaty azy, hoy io Profesora io. Misy olona iray manana aretina 4 na 5 ka tsy maintsy dinihina hoe iza tamin’ireo no nahafaty azy, hoy ny fanazavana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana