Dans la mme rubrique

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

03/07/2020

Hikatona ho an’ny besinimaro ny sampan-draharaha fanaovana « Passeport » ny zoma 03 jolay 2020 araka ny fampahafantarana nataon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

Hamaky ny tohiny...

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

03/07/2020

Vahaolana azo antoka indrindra amin’izao aretina COVID 19 izao, hoy ny Dr Fidy Bariniaina, ny tsy fivoahana ny trano.

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

03/07/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho ny fiparitahan` ny aretina “coronavirus”. Tsy voafehy ny fiparitahan` ny aretina noho ny goragora ateraky ny kolikoly. Vokany,

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo sy Toamasina Raikitra ny andrana fanafody tsindrona

27/05/2020

Nanomboka omaly tany Toamasina sy eto Antananarivo ny andrana voalohany na “essai Clinique” na andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona, raha ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina tany Toamasina.

 

 

 

Niara-niasa tamina mpikaroka any Etazonia, aty amin’ny ranomasina Indianina ny fanjakana raha ny nambarany. Misy mantsy fitiliana goavana any Etazonia mampiasa ny Artemisia avadika tsindrona, ary izay fomba fitsaboana na “protocole” izay no ambara fa ampiharina aty amintsika. Efa noresahina tamin’ny OMS, ary eo an-dalana isika izao amin’ny “Essai Clinique” faobe aty Afrika. Efa nahazo alalana tamin’ny Komity siantifika eto Madagasikara kosa ny fanaovana an’io ho an’ny eto an-toerana, hoy I Andry Rajoelina. Ny alatsinainy teo ny Minisitry ny serasera, dia naneho fa manan-tsafidy ny marary na hotsaboina amin’ny CVO, ka heverina fa izay manaiky no hanaovana an’io andrana tsindrona io. 50 000 ny CVO nentina tany Toamasina omaly. Ankoatra izay, dia tsy hisy fahazoan-dàlana mivoaka sy miditra azo ekena, fa ireo fiara mitondra entana ihany no afaka mivoaka an’I Toamasina. Hapetraka ny laboratoara hanafainganana ny fakana singa sy fanaovana fitiliana. Ao anatin’ny 48 ora, dia tokony ho azo ny valiny ho an’ireo “symptômatiques” na misy soritr’aretina, hoy i Andry Rajoelina. Ampiana ny fitaovana ary avondrona ny ezaka handresena ny covid-19. Nisaotra manokana ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy 29 mianadahy avy any Antananarivo nanolo-tena hanampy sy hifanome Tanana amin'ny fitsaboana any an-toerana. Hisy ny hanara-maso ireo sy hitady ireo olona mety namindran’ireo voa na ny “tracing contact”. Natolotra omaly ny fiara 20, ary afaka andro vitsy dia ho tonga ny “chambre de désinfection” hiarovana ireo mpiasan'ny fahasalamana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana