Dans la mme rubrique

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

03/07/2020

Olona roa indray no namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay teto Madagasikara ho 24 hatreto.

Mirongatra ny valanaretina 6 maty, 265 voa tao anatin’ny 4 andro

Hamaky ny tohiny...

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

03/07/2020

Hikatona ho an’ny besinimaro ny sampan-draharaha fanaovana « Passeport » ny zoma 03 jolay 2020 araka ny fampahafantarana nataon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka.

Mihaodihaody ny Covid19 Hikatona ny sampan-draharaha fanaovana « passeport » anio

Hamaky ny tohiny...

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

03/07/2020

Vahaolana azo antoka indrindra amin’izao aretina COVID 19 izao, hoy ny Dr Fidy Bariniaina, ny tsy fivoahana ny trano.

Dr Fidy Bariniaina “Tsy hihiboka mandrakizay isika, aleo miaro tena tsara”

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

03/07/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena noho ny fiparitahan` ny aretina “coronavirus”. Tsy voafehy ny fiparitahan` ny aretina noho ny goragora ateraky ny kolikoly. Vokany,

Fiarahamonina Be loatra ny goragora ka miparitaka ny valanaretina

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

44 ny trangana covid-19 iray andro Tratra i Andilamena sy Ambatondrazaka

27/05/2020

Niampy 44 be izao ny trangana covid-19 araka ny tatitra omaly, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 586. Fitiliana 162 no nataon’ny HJRA, ka ny 12 tamin’ireo no voamarina fa voan’ny covid-19.

Ny 7 tamin’ireo tao Moramanga, 3 Andilamena, 1 Ambatondrazaka, ary 1 ho an’Antananarivo. 81kosa ny fitiliana nataon’ny CICM, ka nahitana tranga 3 tao anatin’izany, izay tsy mbola fantatra hoe olona avy aiza. Ny IPM teto Antananarivo kosa nanao fitiliana 80, ka 22 tamin’ireo no voa. 13 avy any Toamasina, 9 teto Antananarivo. Tranga 7 vaovao kosa no hitan’ny Laboratoire Mobile tany Toamasina tamin’ny fitiliana 18 nataony. Raha hatambatra, dia 10 izany teto Antananarivo, 20 Toamasina, 7 Moramanga, miampy 4 tany Andilamena sy Ambatondrazaka, ankoatra ireo 2 mbola tsy fantatra. Tsy nisy sitrana vaovao ka mijanona ho 147 izany. Miisa 437 ireo manaraka fitsaboana, ka ny 6 amin’ireo no ahiana ny ainy na ao anatin’ilay antsoina hoe: “formes graves”. Hatreto, dia fitiliana 9340 no vita ho an’I Madagasikara iray manontolo. Miakatra hatrany ny isan’ny voa, ary mitombo ireo faritra na distrika ahitana ny coronavirus, ka Andilamena sy Ambatondrazaka indray no nahitana tranga omaly ho an’ny faritra Alaotra Mangoro taorian’i Moramanga izay tena efa maherin’ny 20 ny tranga voamarina hatramin’izay.

Toky R

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana