Dans la mme rubrique

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

10/07/2020

Efa sitrana soamantsara avokoa ireo fianakaviana iray trano nararin’ny coronavirus teny amin’ny Fokontany Antanety, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

Hamaky ny tohiny...

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

10/07/2020

Nampiharina eto Madagasikara ny fomba famaritana vaovao ny olona sitrana (protocole de sortie) ka afaka mivoaka ny hopitaly nofaritan’ny OMS nanomboka ny 27 mey.

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

Hamaky ny tohiny...

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

10/07/2020

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mahatsiaro tsy fahasalamana tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka na ny Centre Medical COVID 19 amin’izao.

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

10/07/2020

Niampy 209 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 3787, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly 9 jolay 2020.

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

10/07/2020

Mafy ny asa hatrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mampiodina ny Village Voara eny Andohatapenaka isan’andro na ny CMC.

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

10/07/2020

Tsy tokony horaisina an-jambany fotsiny ny zavatra miseho iraisam-pirenena fa mila tetikady ary tsy ampiharina ara-bakiteny,

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

Hamaky ny tohiny...

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

10/07/2020

Fihetsika faran’izay tsotra kanefa adinodino misy fotoana ny fanasana tanana.Ny nahazatra ny ankamaroan’ny oona hatrizay dia ny hoe manasa tanana rehefa hisakafo, na avy any amin’ny trano fivoahana ,

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

612 no voan’ny covid-19 Niakatra ho 10 ireo marary mafy

28/05/2020

Niampy 26 ny trangana coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isa manontolo ho 612 hatreto. 9681 ny fitiliana rehetra vita ny 19 martsa hatramin’ny 25 mey teo.

 

104 ny fitiliana teto Antananarivo nataon’ny IPM ny 26 may, ary 25 tany Toamasina. Tranga vaovao 14 no hita tamin’ireo, ka 3 teto Antananarivo, 1 tany Ambatolampy izay olona avy any Fenoarivo Antsinanana. Olona 10 no voamarina fa voa tany Toamasina ka nisy soritr’aretina avokoa izy ireo, ary ny 4 dia ahiana mafy ny fahasalamany na ao anatin’ilay antsoina hoe “forme grave”, izay nampiakatra ny isan’izy ireo ho 10; efa mandeha moa ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana manokana azy ireo. Ny CICM kosa nanao fitiliana 62 ka 10 no voamarina fa voa. Avy any Toamasina ny 7 tamin’ireo, ary 3 teto amin’ny faritra Antananarivo, dia teny Soavimasoandro, Ankazondandy Manjakandriana, Amborompotsy Talatamaty. 59 kosa ny fitiliana nataon’ny HJRA ka 2 ny voa, izay avy eto Antananarivo avokoa. Nisy 4 sitrana teny Anosiala, 1 teny Befelatanana, 2 tany Fianarantsoa, 151 ny sitrana rehetra hatreto. Sitrana avokoa ny marary tany Fianarantsoa. 459 ny fitambaran’ireo mbola tsaboina, izay mitombo hatrany.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana