Dans la męme rubrique

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

10/07/2020

Efa sitrana soamantsara avokoa ireo fianakaviana iray trano nararin’ny coronavirus teny amin’ny Fokontany Antanety, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

Hamaky ny tohiny...

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

10/07/2020

Nampiharina eto Madagasikara ny fomba famaritana vaovao ny olona sitrana (protocole de sortie) ka afaka mivoaka ny hopitaly nofaritan’ny OMS nanomboka ny 27 mey.

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

Hamaky ny tohiny...

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

10/07/2020

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona mahatsiaro tsy fahasalamana tonga manatona eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka na ny Centre Medical COVID 19 amin’izao.

CMC Andohatapenaka Mandray marary 115 isan’andro ny dokotera iray

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

10/07/2020

Niampy 209 ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, ka nampiakatra ny isan’ny voa hatramin’izay ho 3787, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly 9 jolay 2020.

Coronavirus 209 indray voa teto Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

10/07/2020

Mafy ny asa hatrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mampiodina ny Village Voara eny Andohatapenaka isan’andro na ny CMC.

Village Voara Andohatapenaka Nahazo tohana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

10/07/2020

Tsy tokony horaisina an-jambany fotsiny ny zavatra miseho iraisam-pirenena fa mila tetikady ary tsy ampiharina ara-bakiteny,

Hary Naivo Rasamoelina “Porofoy fa sitrana ireo lazainareo fa sitrana ireo”

Hamaky ny tohiny...

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

10/07/2020

Fihetsika faran’izay tsotra kanefa adinodino misy fotoana ny fanasana tanana.Ny nahazatra ny ankamaroan’ny oona hatrizay dia ny hoe manasa tanana rehefa hisakafo, na avy any amin’ny trano fivoahana ,

Fanasana tanana Fihetsika tsotra, mahavonjy aina

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Covid-19 Midangana hatrany ny isa

29/05/2020

Nanao fitiliana 93 ny CICM, ka tany Toamasina ka 37 ny singa avy any Toamasina. 13 no voa (5 Analankininina, 2 Kaominina Ambonivohitra, 1 Campus Universitaire, 1 Ankirihiry Avaratra, 1 Mangarano,

 

 

 

 1 Morarano, 1 Tanambao V, 1 Tsarahonenana). Ny teto Antananarivo kosa 56 no notiliana, ka 11 ny olona voa (6 Alakamisy Atsimondrano, 3 Mahamasina, 1 Betongolo, 1 Alakamisy Fenoarivo). Tranga 24 tamin’ny fitiliana 93 izany no hitan’ny CICM. 141 kosa ny fitiliana nataon’ny IPM, 101 teto Antananarivo nahitana tranga 7 (4 Moramanga, 3 Toamasina). 40 kosa ny singa tany amin’ny Laboratoire Mobile tany Toamasina, ka 13 no voamarina fa voa, izay tsy voalaza ny toerana misy azy. Raha hatambatra ny isa dia 44 no indray voa, ka 656 ny fitambarany hatramin’izay. Nisy 3 sitrana teny amin’ny CHU Andohatapenaka. 500 izany ny olona mbola tsaboina amin’izao fotoana izao. Miisa 9848 ny fitiliana PCR rehetra vita hatramin’izay. Mitombo andro aman’alina ny isan’ny voa eto Madagasikara, ary sokajiana ho isa faharoa ambony indrindra hatrizay ny 44 omaly, izay 72 ora eo mialohan’ny fanambarana indray hataon’ny Filoha. Mety hitohy na hihamafy ny fepetra, raha halalinina ny zava-misy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana