Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

13/08/2020

Olona 4 indray no lavon’ny Covid-19 raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 156. Ny 02 tany amin’ny Faritra Boeny, 01 DIANA;

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin` ny coronavirus Mila fitoniana sy firaisankina

03/07/2020

Ny valanaretina Covid-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara. Manimba zavatra be lavitra sy sarotra noho ny aretina ny tsy fitandremana.

Mandray fepetra hentitra ny fitondram-panjakana mba hahafahana mametraka ao an-tsain` ny vahoaka Malagasy fa aretin-mandoza io saingy mbola mibahana hatrany ny hoe “aretin` ny mpanankarena”. Noho izany, tsara raha ampy ny fanazavana sao mivadika zavatra hafa. Etsy ankilany, tsy ilaozan` ny hafa ny fanararaotana politika na koa havadika zavatra hafa ny fanapahan-kevitra sy fepetra ampiharin` ny fitondrana. Etsy andaniny, misy ireo mpanararaotra ka lasa fanararaotana ny ady amin` ny Covid-19 ka misy no mameno ny paosiny fotsiny. Izay no ilàna ny fitoniana sy firaisankina. Na dia eo aza ny vesatra ateraky ny areti-mandoza izay mandripaka ain’olona maro maneran-tany, dia nahatsapa ny rehetra fa misy ny firaisan-kina iraisam-pirenena ary mihamafy ny fifankazahoana eo amin’ny samy mponina eo anatrehan’ity ady sarotra iraisana ity. Azo raisina ho tosika ny firaisankina. Ohatra ny hetsika maneran-tany ho fanoherana ny fanavakavaham-bolokoditra nanoloana ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny mainty hoditra George Floyd tany Minneapolis, Etazonia, tamin’ny 25 mey 2020 lasa teo. Nahatsapa ny rehetra fa nampivoitra sy nanampy tosika ny fanehoan-kevitra ary ny fanoherana eran-tany mikasika ireo zava-manjo tsy rariny sy ny tsindry hazo lena nokobonina hatramin’izay iny tranga iny. Betsaka ny lesona azo tsoahina ho antsika Malagasy mba hirosoana amin’ny fanjakana tsara tantana ary tena manaja ny Zon’olombelona ka mitsinjo ny vahoaka maro an’isa izay voahilika eo amin’ny tombontsoa sy ny zo izay tokony hositrahany. Mila fitoniana sy firaisankina na politika na eo amin` ny samy Malagasy ny fiatrehana izao fotoana sy toe-javatra sarotra izao, na toy heverina ho tsy fitovian-kevitra sy fijery.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana