Dans la mme rubrique

Tsy vonon-kiova

18/07/2020

Izahay izao no eto, hoy ilay tompon’andraiki-panjakana iray izay nialoha kelin’ny niandohan’izao fipariahana valanaretina eto Madagasikara izao. Toa

Tsy vonon-kiova

Hamaky ny tohiny...

Fahamaizana avo lenta

16/07/2020

Mety tsy tena niteraka resabe loatra na dia mampiahiahy ihany aza ny fahamaizan’ireo trano hazo nisesisesy teto an-drenivohitra.

Fahamaizana avo lenta

Hamaky ny tohiny...

Hajao ny fepetra

15/07/2020

« Sorena kely aho miresaka aminareo androany, mba tsy hitenenako hoe sorena be” Ampahan-tenin` ny Filoha Rajoelina raha nanatrika ny fanaovana fitiliana faobe ny tsimokaretina COVID-19 tany Toamasina ny 07 mey lasa teo

Hajao ny fepetra

Hamaky ny tohiny...

Ny omaly tsy miova

13/07/2020

Samy niandry izay ho valan-dresaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy omaly hariva.

Ny omaly tsy miova

Hamaky ny tohiny...

Mirary ny soa tokoa

09/07/2020

Mirary ny soa tokoa manoloana izao ady hatrehin’ny firenena sy izao tontolo izao izao.

Mirary ny soa tokoa

Hamaky ny tohiny...

Tsy mifidy saranga

08/07/2020

Vanim-potoana isan’ny mafy teto Madagasikara ny nisian’ny valanaretina pesta tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Somary nosokajiana ho aretin’ny mahantra sy ny sahirana satria noho ny loto sy ny fako rahateo no isan’ny nampirongatra azy.

Tsy mifidy saranga

Hamaky ny tohiny...

Fitoniana sy firaisankina

06/07/2020

Ny valanaretina COVID-19 izao no zava-dehibe, maika, tsy azo ihodivirana. Eran-tany ary tsy afa-miala amin` izany i Madagasikara.

Fitoniana sy firaisankina

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tsy toa teny, very ny fahatokisana

10/07/2020

Tena ilaina amin’ny fitondrana ny firenena, amin’ny fifampitondrana ao anaty fiarahamonina, amin’ny fitantanana orinasa,…

 

 

 

 ny haitarika na ny “leadership”. Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha, hoy rahateo, ny fomba fitenintsika Malagasy. Miankina amin’io haitarika io noho izany no hahafahana manatratra tanjona iray ao anatin’ny ankohonana, fiarahamonina, firenena,… Miainga avy any ambony ny ohatra, ka rehefa ny lohany no matsatso, dia mety tsy handeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Mila olona to teny, mitazona ny teny nomeny fa tsy hafa no ambara anio ary mivadika ho hafa rahampitso. Mila mahalala tsara ireo vahoaka entina sy ny zavatra ilainy sy tadiaviny satria eo no isan’ny lesoka goavana eto amin’ny firenena. Ny zavatra hita sy tsapa eto mantsy, dia toa fanatanterahana ny nofinofy sy rendrarendran’ny mpitondra indraindray no ambara fa fampandrosoana. Ao anatin’ny ady mafy lalovan’ny firenena no toa mbola hitadiavana hirika hanaovana fandokafan-tena hoenti-manakona ny tsy fahombiazana. Ny ady hatrehina tsy vita sy tsy voafehy, kanefa mipoitra eny antsefantsefany eny karazana laharampahamehana hafa tsy misy fiantraikany amin’ny besinimaro. Maro ny serasera sy fihetsika toa tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Sesilany ny toe-javatra manome endrika ratsy ny fanjakana tsy voasoroka, ka rehefa miseho vao manao izay fomba rehetra hanadiovan-tena sy hamonoana afo. Mila fantarina tsara ny olana miseho eto, izay tsy ny valanaretina fotsiny fa misy ny fahoriam-bahoaka, ny fahantrana, ny alahelo,… ka raha tena hita sy hitondrana vahaolana ireny mahatoky ho azy ny mpitondra ny olona, manaiky sy manohana ho azy. Tsy ny famokisana resaka sy fampanatenana habosesika lava no hampisokatra ny fon’ny vahoaka ka hanekeny sy hanohanany ny mpitondra fa ny fahatsapany hoe: tena mitsinjo, mamaha ny olany, mijery ny fahoriany ny fanjakana, fa tsy mampanonofy azy lava eo fotsiny. Manaraka ho azy tsy mila famoretana, ary manampy aza ireo, raha tena tsapany fa mahitsy sy madio fo aminy mpitondra.

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana