Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus teny Alakamisy Fenoarivo Nijoro vavolombelona ilay rangahy sitrana

10/07/2020

Efa sitrana soamantsara avokoa ireo fianakaviana iray trano nararin’ny coronavirus teny amin’ny Fokontany Antanety, kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

 

 Raha tsiahivina dia niisa 13 mianaka izy ireo ka ireo 4 negatif dia tovovavy ny iray izay negatif hatramin’ny farany na dia nikarakara ireo havany tsy salama aza niampy zazakely miisa 3. Ny sivy ambiny kosa voa daholo raha vantany vao nifandray tamin’ilay tompon-tranony avy any Toamasina ka toy ny tazo no niandohan’izany raha ny fanazavan’Atoa John ilay raim-pianakaviana tsy salama sy nanana ankohonana narary. Ny 4 tamin’izy ireo no voatery naiditra hopitaly satria nisy soritr’aretina raha nijanona nitsabo tena tao an-trano kosa ny 5. Ny CVO na ny tambavy nohatsaraina Covid organics no fantatra fa nomen’ny Fokontany sy ireo tompon’andraikitra teny an-toerana azy ireo. Ankoatra izay hoy ity raim-pianakaviana ity dia namatsy sakafo anay ny fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo teny Alakamisy niampy ny Faritra Analamanga noho ny fihibohana tsy maintsy natao. Tsy nitsahatra ny nanaja ilay fepetra ara-pahasalamana izy mianakavy kely nandritra izany toy ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Tsy nanao reraka ihany koa hoy ity Raim-pianakaviana ity, mihinana voankazo karazany 4 raha kely isan’andro, mihinana legioma toy ny lasary, misotro rano mafana matetika ary tsy manao mangatsiaka. Ny 02 jona lasa teo no nanao fitiliana izy ireo raha ny 06 Jona kosa no fantatra fa positif izy ireo. Ho an’i Yandy ilay zanany lahy 25 taona, taona faharoa manaraka ny lalam-piofanana Topographie ao amin’ny politeknika Vontovorona dia fantatra fa tsy nahazaka CVO izy. Ny sakafo sy ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana araka izany no natao ka sitrana soa aman-tsara ihany koa izy. Marihina moa fa efa nahazo ny taratasy manamarina ny fahasitranany avokoa izy 9 mianaka ireto. Tsiahivina moa fa mpiasan’ny Cur ao Vontovorona Atoa John.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana