Dans la męme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

13/08/2020

Olona 4 indray no lavon’ny Covid-19 raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 156. Ny 02 tany amin’ny Faritra Boeny, 01 DIANA;

Coronavirus Mitombo isa ny maty ivelan’Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

12/08/2020

Vaovao nanakoako naneran-tany nanomboka omaly ny fanambaran’ny Firenena Rosianina fa nahita vaksiny hahafa-miady amin’ny valanaretina coronavirus. Ity no vakisinin'ny covid-19 nolazaina ampahibemaso voalohany, izay nomena ny anarana "Spoutnik V".

Coronavirus Hitan’ny Rosianina ny vaksiny

Hamaky ny tohiny...

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

12/08/2020

Ireo Ministra mianadahy miahy ny Faritra Amoron i Mania dia ny Mpitahiry ny Tombokasem panjakana,

Amoron’i Mania Distrika 4 nahazo fitaovana hiadiana amin’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

12/08/2020

Olona iray teto amin’ny Faritra Analamanga no maty, ka nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 152, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly. 115 kosa ny tranga vaovao,

Fivoaran’ny coronavirus Mihena ny eto Iarivo, mitombo ny any amin’ny faritra

Hamaky ny tohiny...

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

12/08/2020

Nanamafy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa maimaimpoana ny fitsaboana (fizahana sy fanafody) ireo olona ahiahiana na voamarina fa mararin'ny "Covid-19",

Fanafodin’ny Coronavirus 106 000 000 Ar no natontona tamin’ny CSB II

Hamaky ny tohiny...

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

12/08/2020

Anisan’ny faritra sahanin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro (MTTM), ny kaominina Sabotsy Nahemana, ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Vatsy Tsinjo Mitohy ny fanisana ireo tokantrano eny Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

12/08/2020

Olona iray sisa tsaboina ao amin’ny CHRD Fenoarivo atsinanana, raha ny mikasika ny valanaretina COVID 19 no asian-teny,

Covid 19 Olona iray sisa tsaboina ao Fenoarivo atsinanana

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tsy maharaka ny hopitaly sy ny mpitsabo Amporisihana ny fitsaboana any an-trano

10/07/2020

Nampiharina eto Madagasikara ny fomba famaritana vaovao ny olona sitrana (protocole de sortie) ka afaka mivoaka ny hopitaly nofaritan’ny OMS nanomboka ny 27 mey.

 

 

 

Rehefa nahavita fitsaboana 13 andro eo ny olona iray ka tsy misy fambaran’aretina intsony amin’ny 3 andro farany dia sitrana ary afaka mody. Ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina nefa tsy ahitana soritraretina (asymptomatique) tao anatin’ny 10 andro dia raisina ho sitrana ka afaka mody, hoy ny fanazavana nataon’ny Dr Lamina Arthur Tale Kabinetran’ny Minisiteran’ny fahasalamana. Hialana amin’ny fahasahiranana noho ny fahamaroan’ny voa, saika maneran-tany io. 763 ireo voa nambara fa sitrana tao anatin’ny 48ora teto Madagasikara, izay notsaboina tany an-trano ny ankamaroany.

ANY AN-TRANO

Nanamafy an’io fomba fiasa vaovao io Ny Pr Vololontiana Hanta omaly. Any an-trano no raisina an-tànana, ary izy ireo no betsaka kokoa. Rehefa tafiditra ao anaty vatana io tsimokaretina io, dia tsy voatery ho velona ao anaty vahana mandrakizay. Tsy mitovy ny fivoarany arakaraka ny toe-tenan’ny olona tsirairay, ny hery fiarovana ao aminy, mety misy olona sokajiana ho tsy marefo saingy mety hanao “forme grave”,… Misy ny olona tsy haneho soritr’aretina mihitsy, mety hitombo ny otrik’aretina fa resy ihany ny fiafarany rehefa taitra ny hery fiarovana. Izay no nahatonga ny OMS tamin’ny 27 mey 2020 rehefa nifandinika tamin’ny manam-pahaizana amin’ny fomba hilazana fa sitrana sy afaka amin’ny fitokana-monina ny olona iray, ka isan’ny manaraka izany isika, raha ny fanazavan’ny Pr Vololontiana Hanta. Rehefa tapa-bolana aorian’ny nahitana fa positif, ka tsy maneho soritr’aretina dia ambara fa sitrana sy tsy mamindra amin’ny hafa mba hialana amin’ny vesatra hoe tsy maintsy manao fitiliana PCR in-droa misesy. Ho an’ireo misy soritr’aretina na ny “forme grave” aza, dia tsy maintsy arahi-maso mandrindra ny 10 andro, ary tsy maintsy misy 3 andro farafahakeliny tsy misy soritr’aretina intsony, dia azo ambara fa sitrana. Ny kohaka mety mbola haharitra kely, fa ny fanaviana, ny fikorontanan’ny taovam-pisefoana, marary tratra,… no hamaritana ny “forme grave”, raha ny fanazavana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana