Dans la męme rubrique

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

18/07/2020

Lehilahy sy vehivavy iray mpivady no tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service des Enquêtes Spécialisés ny 15 jolay

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona

Hamaky ny tohiny...

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

18/07/2020

Teratany Kaomorianina iray avy atsy amin’ny Nosy Anjouan antsoina hoe Isa Mohamed fantatra amin’ny anaram-bositra « Bouboucha »

Fikasana hamono ny Filoha Kaomorianina Voasambotra tany Mahajanga i Bouboucha

Hamaky ny tohiny...

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

18/07/2020

Mitandrema, hoy ny hafatry ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, manoloana ny zava-misy mikasika ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus eto amin’ny firenena.

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

16/07/2020

Nodimandry teo amin’ny faha 35 taonany omaly ny namana mpanao gazety eo anivon’ny Onjampeo Feon’Imerina, Hariniaina Tahiana Andrianarimanana na Tahiana Andrianarimanana.

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Tahiana Andrianarimanana

Hamaky ny tohiny...

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

16/07/2020

Ny vesatra zakain’ny isan-tokantano sy ny vidim-piainana mihitsy no tokony hahena amin’izao fotoam-pahasahiranana iainan’ny vahoaka izao.

Mba ho fitsinjovana ny rehetra Sao tokony hahena ny vidin-jiro sy vidin-tsolika ?

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

15/07/2020

Mangataka ny hamoahana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra momba ny fitantanana ara-bola mikasika ny covid-19 ny Firaisamonim-pirenena. Isan’ny

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Imerintsiatosika Ho vita atsy ho atsy ilay fonja manarapenitra

15/07/2020

Sambany no hisy fonja manara-penitra natokana ho an’ireo gadra tsy maty manota eto amintsika. Ao Imerintsiatosika no hanorenana izany foto-drafitrasa izany amina velanaran-tany 4800 m².

Imerintsiatosika Ho vita atsy ho atsy ilay fonja manarapenitra

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Afo be teny Antaninarenina Kila forehitra ny ONE sy ny Paositra

16/07/2020

Nirehitra omaly hariva ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ny ONE eny Antaninarenina.

 May kila forehitra, hotohoton’ny afo ity sampan-daharaham-panjakana ity. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza, fa tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany no voalaza fa niantombohan’ny firehetana. Tsy tafiditra ao anatin’ny sehatr’asa tsy maintsy miasa na « service non essentiel » ny ONE, ary raha miasa ny mpiasa dia amin’ny 12 ora atoandro no mirava. Misy aza ny resaka fa nisy ahiahiana tranga coronavirus tao, ka nomena toromarika tsy hiakatra birao ny mpiasa. Isan’ireo tranom-panjakana manaja ny rafitra HSSE (Hygiène, sécurité, sûreté, environnement) ity fotodrafitrasa ity. Tombana ihany izany, fa ny fanadihadiana no mety hamaritra ny antony marina niteraka ny firehetana.Ny azo antoka aloha dia may kila ny antontan-taratasy rehetra n any ampahany betsaka.

PAOSITRA SY FIFANDRAISAN-DAVITRA

Toerana stratejika ny eny Antaninarenina ahitana biraom-panjakana samihafa tena saropady satria ao an-damosin’ny ONE no misy ny Paositra miaraka amin’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (Direction Generale), izay lasibatry ny fahamaizana goavana io ihany koa.Raha ny fahitana azy dia niainga avy any ambony rihana (rihana faha 3) amin’ny biraon’ny Paositra ny afo ka nidina tamin’ireo rihana hafa. Tsara ho marihana fa ny Minisiteran’ny Paositra no mikirakira ny Tosika Fameno sy ny resaka « Paositra money » . Mifanohy amin’ny ONE, ny Paierie Générale izay efa nanomboka nilelaka azy ny afo tamin’ny ora nanoratanay. Mampanahy ity toe-javatra ity, ary ao anatin’ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena no isehoany. Nifanome niezaka namono  ny afo ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana sy ny mpamonjy voinan’ny ASECNA satria tena niredareda izy tsy izy ny afo.Goavana ny fahavoazana. Andrasana ny tatitra mazava avy amin’ny manampahefana eo anatrehan’io toe-javatra io. Ny polisim-pirenena no voalaza fa mandray an-tànana ny raharaha.Fanontaniana tena manitikitika izao ny hoe : taiza no nanomboka ny afo, tao amin’ny ONE ve sa tao amin’ny Paositra ?

 

Tonga nijery ny zava-nitranga teny an-toerana ny minisitry ny tontolo iainana sy nyny fampandrosoana lovainjafy Baomiavotse Raharinirina ary nanambara fa avotra soamantsara fa tsy may ny solosaina mitahiry ireo antontan-kevitry ny ONE (Serveur) ka inoana hoy izy fa misy zavatra azo avotana ao.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana