Dans la męme rubrique

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

Tafiakatra 43 ny namoy ny ainy hatrizay, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta. 262 kosa ny tranga vaovao omaly hita tamina fitiliana 547, izay manome taham-pahavoazana 47,89% be izao. Ny fitiliana 430 tamin’ireo 547 dia nataon’ireo laboratoara 4 (IPM, CICM, LA2M, HJRA), ka voa avokoa ny 230 izay manome taham-pahavoazana 53,48% be izao. 117 kosa ny fitiliana tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe Genexpert nahitana tranga 32. 5605 ny tranga rehetra hatrizay. 165 no sitrana vaovao, ka notsaboina tany an-tranony avokoa ny 127. Miisa 2811 (50,15%) no sitrana rehetra hatreto, ary 2751 (49,08%) kosa ny mbola manaraka fitsaboana. Niampy 6 ireo “formes graves” ka 51 ny fitambarany ka 49 ao anatin’ny Faritra Analamanga (30 Hopitaly Befelatanana, 11 CHU Anosiala, 05 Hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka, 03 Hopitaly Fenoarivo), 10 Antsirabe, 01 Faritra Boeny, 02 Faritra Atsimo Andrefana (Toliara).

FARITRA 3 AMIN’NY 22 SISA TSISY COVID-19

Nitombo ireo faritra nahitana ireo tranga, ka mitsinjara toy izao ireo 262 omaly: 209 Antananarivo (205 Faritra Analamanga, 04 Faritra Vakinankaratra), 02 Toamasina, 17 Mahajanga (15 Faritra Boeny, 02 Maevatanàna Faritra Betsiboka), 07 Fianarantsoa (05 Faritra Matsiatra Ambony, 02 Ifanadiana Faritra Vatovavy Fitovinany), 26 Toliara (13 Faritra Atsimo Andrefana, 13 Faritra Anosy), ary 1 kosa tsy fantatra hoe avy aiza. Tafiditry ny valanaretina ihany koa i Maevatanana, ary lasa ambony ny tahan'ny ireo tratry ny "forme grave" ao Antsirabe satria dia miisa 10. Rakotra i Madagasikara satria Faritra 3 dia Androy, Atsimo Atsinanana ary Melaky sisa no tsy tafiditry ny covid-19. Ny 4317 tamin’ny tranga 5605 teto Amin’ny faritra Analamanga avokoa. Mila mailo sy mitandrina satria mitombo ny tranga, maro ny fahafatesana hafahafa ahiana ho vokatry ny valanaretina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana