Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Voafonja 6 voan’ny Covid-19

16/07/2020

Natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin'ireo efitrano 7 ao amin'ny fonjan'Arivonimamo ny herinandro lasa teo.

Arivonimamo Voafonja 6 voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

 Nilaza mantsy ny Filoha fa ny alahady 12 jolay teo, fa omaly alarobia farahafatarany dia afaka handray mandray marary ireo CSB II, saingy mbola tsy tonga ny fitaovana, fanafody,… hahafahana mandray an-tànana ireo marary misy soritr’aretina heverina fa voan’ny covid-19 ho an’ny ankamaroany. Nilaza rahateo ny Filoham-pirenena, fa raha vao misy fambara toy ny tsy faharenesana tsiron-kanina, dia tsy tokony hiandry fitiliana fa heverina ho coronavirus avy hatrany, ka raisina ny andraikitra amin’ny fitsaboana. 40 isan’andro eo no tonga eny amin’ireny CSB II ireny, izay misy mihitsy ny misy soritr’aretina mahey vaika. Maro ireo tsy maheno tsiron-kanina. Ireo olona heverina fa aretina hafa no mahazo azo no raisina, fa nalefa sy notoroana hevitra ho any amin’ireo afaka mandray an-tànana ny mararin’ny covid-19 hatreto. Tsy afaka handray ny fitsaboana ireo “formes graves” ny CSB II na rehefa vory fitaovana aza, fa halefa any amin’ny toeram-pitsaboana lehibe. Manodidina ny 100 isan’andro no manantona ireny toeram-pitsaboana tsy miankina ireny eto Antananarivo. Karazana tsirambina ihany ny mbola tsy fandraisana an-tànana ireo olona misy soritr’aretina manantona ny toeram-pitsaboana ara-panjakana eny ifotony. Miisa 18 ireo CSB II eto Antananarivo, izay andrasana ny fahatongavan’ny fampitaovana feno sy fanafody nampanantenain’ny Filoha.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana