Dans la mme rubrique

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

 

 

 

 

 Mijery ifotony sy manamarina any an-tokantano ny mpitsabo hoe inona marina no nahafaty azy. Mitombo ny fahafatesana, izay mety ho coronavirus ary mety ho antony hafa. Tao anatin’ny herinandro, ohatra, dia am-polony ny olona maty teny amin’ny faritra Tsaramasay izay tsy fantatra mazava izay antony, fa nisy kosa ireo fianankaviana naneho fa matin’ny coronavirus, hoy ny fampahalalam-baovao. Mitombo ny isan’ny lambamena lafon’ireo mpivarotra amin’izao fotoana izao. Mahalafo roa na iray isan’andro eo, raha tsy nisy afatsy iray talohan’ny hamehana ara-pahasalamana, hoy ny mpivarotra. Tsikaritra eny amin’ny tambajotran-tserasera eny ihany koa ny fisiana olona mitady na manao kaomandina vatam-paty. Tsy voatery ho noho ny valanaretina fa mety fahafatesana tsotra mahazatra, saingy maro ihany ny tranga mampiahiahy. Maro ny fitantarana ataona namana akaiky sy olom-pantatra, toy ny fisiana mpivady mielanelana tapa-bolana ny fahafatesany tamina tanàna iray teto Antananarivo, efa ho 5 ny fandevenana teny amin’ny faritra Vinany sy Itaosy iny omaly maraina,… Tsy finiavana hampihorohoro ny saim-bahoaka, fa kosa mba manentana sy manaitra hatrany mba hampitombo ny fitandremana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana