Dans la mme rubrique

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

Hamaky ny tohiny...

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

 Paul Rabary omaly vao maraina. Mankasitraka manokana ny dokotera izay nanome ny fitsaboana ho ahy. Misaotra ny namana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo, tsy manary amin’ny andro sarotra hatrany, Misaotra ireo dokotera rehetra izay nanoro hevitra, ny mpanotra izay tsy nosakanan’ny Covid-19 fa tonga hatrany nanome tanana hanampiana ahy handreseko ny aretina, Ary mankasitraka eram-po eran-tsaina anareo rehetra tapaka sy namana, olom-pantatra, olon-tsotra tsy voatery nifanerasera tamiko akory nefa dia nitondra am-bavaka sy nanome hery. Roapolo andro katroka androany aho no niady tamin’ny Covid-19. Efa imbetsaka no sempotra sy tsy avy niaina intsony. Efa nisy fotoana nametra-beloma ny tapaka sy namana rehetra. Tsy nisaraka tsy nisy maratra izahay sy ny Covid fa nataony marenina tanteraka ny sofiko ilany. Koa aza omena tsiny aho raha toa ka tsy maheno tsara intsony rehefa miresaka mivantana aminareo, hoy hatrany izy. Mbola tsy tena salama tanteraka aho manoratra ho anareo fa mbola mila manao “rééducation” ny avokavoko izay nitondra takaitra koa. Tsy mikely soroka ireny mpitsabo ireny miady miaraka amin’ny marary, tsy matory alina, tsy matory andro mikiry hitazomana ny aintsika, hoy izy, ary naman’ny fahasalamana voalohany. Tsy mora ny manjo azy ireo amin’izao ka raha azo atao, omeo ny Hasiny sy anjara toerany ary fitaovana sahaza ary sy fahatokisana tanteraka ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny nosy fa izy ireo no tena miady amin’ny Covid-19 amin’ny heriny iray manontolo, hoy hatrany i Paul Rabary.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana