Dans la mme rubrique

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

18/07/2020

Olona iray teto amin’ny faritra Analamanga no namoy ny ainy araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, ka 54 ny maty hatreto. 378

Coronavirus Mitombo isa ireo marary any amin’ny Faritany

Hamaky ny tohiny...

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

16/07/2020

Olona 4 indray no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus teto Madagasikara, ka ny iray tany Ambanja, ary 3 notsaboina teny Befelatanana teto Antananaivivo.

4 indray no maty Faritra 19 amin’ny 22 no efa misy Covid 19

Hamaky ny tohiny...

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

16/07/2020

Nanomboka ny alatsinainy teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.

CSB II eto Antananarivo Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody…

Hamaky ny tohiny...

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

16/07/2020

Tsy misangy ny Covid 19. Olona 41 isa no efa namoy ny ainy teto amintsika hatramin’ny omaly ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona marary.

Tahotry ny Covid 19 Maro ireo afaka sigara sy toaka

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

16/07/2020

Nahatatra 20 ireo razana teto amin’ny farita Analamanga nahazo fahazoan-dàlana halevina teny Anjanahary tao anatin’ny herinandro, raha ny tatitry ny BMH.

Antananarivo Mitombo ny isan’ny maty

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

16/07/2020

Midera sy mankalaza an’Andriamanitra lehibe indrindra mandahatra izao rehetra izao raha mbola afaka manoratra aminareo aho anio, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha,

Paul Rabary « Marenina tanteraka ny ila-sofiko »

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Voafonja 6 voan’ny Covid-19

16/07/2020

Natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin'ireo efitrano 7 ao amin'ny fonjan'Arivonimamo ny herinandro lasa teo.

Arivonimamo Voafonja 6 voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Alaotra Mangoro “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

16/07/2020

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra mangoro, hoy ny governora ao an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana. Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe

 

 

 « centre d’isolement » isika ao mandray marary isan’andro. Misy tranga vitsivitsy miseho ankehitriny eto Ambatondrazaka ka tsy maintsy natao ny famendrahana fanafody toeram-piasana sy ny fanibohana azy ireo. Nozaraina CVO avokoa ny mpiasa tsy an-kanavaka eo anivon’ny fiadidiana ny faritra ary hizarana izany koa ireo mpiasa isaky ny kaominina. Efa mandeha ny fandraisana ireo marary sy ny fanatsarana ny toerana handraisana azy ireo, hoy hatrany ny governoran’Alaotra Mangoro. Raha ny tiana dia ho voazara daholo ny mponina rehetra saingy ireo toerana efa ahitana ny trangan’ity aretina COVID 19 ity aloha no vonjena haingana. Efa misy ireo tompon’andraikitra na « agent communautaire » miaraka amin’ny mpitandro filaminana sy tompon’andraikitry ny fahasalamana midina ifotony manao ny fanentanana ny amin’ny tokony hanarahana ny fepetra sy mizara ireo fitaovana ilaina toy ny Arotava sy izay CVO izay, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana