Dans la mme rubrique

Orinasa Ambatovy Hiala ny Sherritt Kanadianina

15/09/2020

Hiala tanteraka amin'ny fitrandrahana nikela sy kobalta ao anatin’Ambatovy ny Sherritt International rehefa niditra teo ambany fiarovan'ny lalàna amin'ny bankiropitra any Kanada.

Orinasa Ambatovy Hiala ny Sherritt Kanadianina

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny tontolo iainana Lasan’ny tetikasa « Crédit Carat » ny 20 tapitrisa Ar

09/09/2020

Norombahin’ny « Crédit Carat », ilay tetikasa manolotra rafitra hahafahana manakalo ny tavoahangy plastika ho lasa « crédit carat » afaka hampiasaina toy ny vola na hisitrahana tolotra samy hafa toy ny fiofanana sy fijerena

Fiarovana ny tontolo iainana Lasan’ny tetikasa « Crédit Carat » ny 20 tapitrisa Ar

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny QMM RIO TINTO Nanampy ireo mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana

09/09/2020

Nahazo fanampiana tamin’ireo sendika ireo mponina ao Andrakaraka, Emanaka, Ampasy Nahampoana voakasik’ilay toerana fitrandrahana fasimainty tanterahin’ny orinasa QMM Rio Tinto any Tolagnaro.

Mpiasan’ny QMM RIO TINTO Nanampy ireo mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana

Hamaky ny tohiny...

Orinasa AAA Nitory eny amin’ny Filankevi-panjakana

08/09/2020

Nametraka fitoriana teny amin’ny Filankevi-panjakana mitaky ny hanafoanana ny fanakatonana ny orinasa AAA ny mpisolovava sy ny mpitantana io orinasa io omaly.

Orinasa AAA Nitory eny amin’ny Filankevi-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Dany Rakotoson “Isatra ho an’ny fampandrosoana ny fifanandrinana politika”

08/09/2020

Tsy dia nisy zava-baovao loatra ny zava-boalazan’ny filoham-pirenena omaly (TTF: Ny alahady teo), hoy ny mpandinika raharaham-pirenena sady mpandraharaha, Dany Rakotoson.

Dany Rakotoson “Isatra ho an’ny fampandrosoana ny fifanandrinana politika”

Hamaky ny tohiny...

Thierry Raveloson “Mitongiana ny Fampandrosoana isam-paritra”

08/09/2020

Araka ny nambaran` ny filoha Rajoelina ny alahady lasa teo dia ““mialohan` ny faran` ny taona ny fifidianana loholona ary hihena 18 no isan` izy ireo”.

Thierry Raveloson “Mitongiana ny Fampandrosoana isam-paritra”

Hamaky ny tohiny...

Vokatra eto Madagasikara Ny vahiny indray no mahazo tombony

07/09/2020

Manankarena i Madagasikara na harena voajanahary na harena an-kibon` ny tany. Maro ihany koa ireo vokatra hafa toy ny ny jirofo,ny kafe, ny lavanila…

Vokatra eto Madagasikara Ny vahiny indray no mahazo tombony

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Hugues Rajaonson “Ndao hanjifa ny vita eto an-toerana isika”

13/08/2020

4537,8 euros ny sandan’ny ariary omaly, ka isan’ny anton’io ny fanafarantsika entana avy any ivelany, toy ny vary zarain’ny fanjakana, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahaiary Hugues Rajaonson.

 

 

Matetika ny olana politika, dia ireo olona aty an-drenivohitra afaka manongam-panjakana no manjifa ilay zavatra izay hafarana. Sarotra be ilay ka sahy ve ny fanjakana hiteny hoe tsy matahotra ireo olona izay manongana ireo ka tsy hanafatra sy tsy manaiky ny hanafarana ilay entana intsony? Hoy izy. Fahasahiana politika izany. 75% amin’ny entana jifaina eto an-dRenivohitra dia entana nafarana avy any ivelany daholo tahaka ireny amin’ny “Grande surface” ireny izay betsaka ny olona manjifa izany. Voatery tsy maintsy manafatra noho izany. Tsy ho ela dia ho tafiakatra 5000Ar ny sandan’ny ariary, ary ireo vola vahiny fanampiana tonga eto, dia lasa miverina any aminy avokoa. Misy lafiny tsara ny fitotongan’ny ariary mba hamporisika ny olona hanjifa ny ato anatiny. Atao ihany koa ny hahatonga ny orinasa hanondrana, izany hoe ireo orinasa no tokony homena vola hahafahany mamokatra sy manondrana hahafahana mampiakatra ny sandan’ny ariary. Raha hiandry ny mpamatsy vola dia eto isika no horaisina eto. Amin’ny lafiny iray, voatery tsy maintsy manjifa ny eto an-toerana rehefa miakatra be ny sandan’ny euro sy ny dolara, ka tsy mampaninona na miakatra 2 hetsy aza ny dolara iray, ka havela any mba tsy hamelomana intsony ny indostria any ivelany, fa ny eto Madagasikara  no hampiroboroboana ary jifaina sy haondrana, hoy i Hugues Rajaonson.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana