Dans la męme rubrique

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus 35 no maty nandritra ny herinandro

14/08/2020

Tafiakatra 162 no namoy ny ainy vokatry ny valanaretina coronavirus teto Madagasikara hatramin’ny omaly. Olona 06 vaovao indray no lavo ka 04 teto Analamanga, 01 Matsiatra Ambony, 01 Itasy.

 

 

 

Tafiatra 35 ireo namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teo anelanelan’ny 06 aogositra-13 aogositra, izany hoe 7 isan’andro eo ny salan’isa. Raha 80 ny tranga vaovao rehetra notaterina afak’omaly hita tamin’ny fitiliana 400, dia niakatra 125 indray izany omaly, ka 13522 ny tranga hatramin’izay. Fitiliana 850 no nahitana izany, ka 14,70% ny taham-pahavoazana. Eo amin’ny 22% kosa ny taham-pahavoazana ankapobeny. 50 tamin’ireo tranga vaovao no tao anatin’ny Faritanin’Antananarivo (49 Analamanga, 01 Itasy); 24 Toamasina tany Alaotra Mangoro; 16 Fianarantsoa (07 Matsiatra Ambony, 09 tany Manakara Faritra Vatovavy Fitovinany); 20 Mahajanga (18 Faritra Boeny ka 11 Mahajanga ary 07 Marovoay, 02 tany Antsohihy Faritra SOFIA); 13 Antsiranana; 07 Faritra SAVA ka ny 04 tany Sambava, ary 03 Antalaha: 06 Faritra DIANA ka ny 05 tany Antsiranana ary 01 Ambaja); 02 tao Toliara ao anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

TAFIAKATRA 87% NY TAHAM-PAHASITRANANA

Niampy 251 ireo sitrana, ka 11 780 no sitrana izany hatreto, izay manome taham-pahavoazana ankapobeny ka 87,11% ny taham-pahasitranana hatreto. 1580 na ny 11,68% kosa no mbola manaraka fitsaboan. Nihena 18 ny "formes graves" ka 85 ny fitambarany hatreto. Ny 54 ao anatin’ny Faritra Analamanga, 16 Matsiatra Ambony (Fianarantsoa) ; 04 Atsimo Andrefana (Toliara), 04 Faritra Boeny.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana