Dans la mme rubrique

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

19/10/2020

Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly, fa resintsika ankehitriny ity valanaretina ity na mbola misy aza eto, ary mila mitandrina. An-dalam-pandresena,

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

19/10/2020

Iray namoy ny ainy vokatry ny valanaretina covid-19 teo anelanelan’ny 10-16 oktobra 2020, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, izay isaky ny sabotsy sisa no hanaovana azy.

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

16/10/2020

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 15 jolay ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola nomen’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) entina miady amin’ny valanaretina covid-19.

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Miaro tena ny mpitondra fanjakana Mbola “visioconférence” ny filankevitry ny minisitra

14/08/2020

Mbola tamin’ny alalan’ny “visioconférence” no nanatanterahana ny Filankevitry ny minisitra ny 12 aogositra lasa teo, fa tsy tamin’ny alalan’ny fihaonana sy fifampidinihana an-databatra boribory.

Ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Filoha Rajoelina ny alahady 9 aogositra teo anefa dia hoe: miverina miasa sy mamonjy toeram-piasana? Mazava izany fa tsy misy famonjena ny toeram-piasana sy ny toeram-pivoriana aloha izany an’ny mpitondra ambony. Mazava io hoe ny mpitondra dia mbola matahotra sy miaro ny tenany mafy, fa ny vahoaka kosa nomena fahafahana aloha satria atahorana hitroatra eo anatrehan’ny efa fahasahiranana tsy roa aman-tany mahazo azy. Mila mitandrina ny isam-batan’olona satria mbola eto ny valanaretina, ary mety ho azo lalaovina ny antontan’isa hahafaha-milaza fa voafehy na efa midina ny taham-pahavoazana. Tsy mbola tafavoaka ny ala isika, ka zava-dehibe ny fahaizana miaina sady mamokatra no miaro tena satria tsy manan-tsafidy ny vahoaka mila mivelona sy mila mitady izay harapaka, fa tsy tahaka ny mpitondra toa mamboly voky tsy mamboly voky.

 Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana