Dans la mme rubrique

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

26/10/2020

Maty ilay dokotera nanolo-tena nanaovana andrana amin'ny vaksiny covid-19 tany Brésil.

Vaksiny Covid 19 Maty ilay dokotera Breziliana nanaovana andrana

Hamaky ny tohiny...

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

26/10/2020

Efa betsaka ireo olona tsy manao arotava intsony eto amintsika. Anisan’izany ireo mandehandeha eny amin’ny arabe. Ireo tsy maintsy mandeha fiara fitateram-bahoaka sisa no manao izany noho ny fiheveran’ny sasany fa efa foana tanteraka ny areti-mandoza Covid 19.

Analamanga Ho voasazy indray izay tsy manao arotava

Hamaky ny tohiny...

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

26/10/2020

Nambaran’ny tatitra ofisialy ny sabotsy lasa teo fa nisy tranga vaovao 158 tamin’ny fitiliana miisa 2252, notanterahana ny 17 ka hatramin’ny 23 oktobra.Nisy marary 06 namoy ny ainy, raha toa ka 86 ireo sitrana.

Covid 19 Madagasikara 6 no maty, 158 no voa tao anatin’ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Toamasina Mitady ho gaboraraka ny fanajana ireo fepetra

14/08/2020

Nivadika ho fety sy korana isan’andro tao Toamasina ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana amin’ny fiverenana amin’ny fiaianana andavanandro.

 

 

Nivory ireo manampahefana omaly, ka nampahatsiahy sy nanamafy ny fepetra mila arahina. Voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny olona 50, fitsangatsanganana na eny amoron-dranomasina na toerana hafa, fitangorongoronana. Mitohy ny “couvre feu” amin'ny 10 ora alina hatramin'ny 4ora maraina; tsy misy “barrage sanitaire” na sakana ara-pahasalamana, fa hamafisina ny “barrage sécuritaire”; misokatra ny zotra “Sub-urbaine” sy régionale” kanefa tsy maintsy manaraka fepetra na ny mpandeha na ny mpamily; azo atao ny mitondra razana ao amin'ny Faritra Antsinanana raha voamarina fa tsy matin'ny Covid 19, tsy mahazo asiana fiaretan-tory; tsy bola azo atao ny mitondra razana mivoaka sy miditra ny faritra. Ny fiara vaventy dia afaka mivezivezy maka sy manatitra entana fa voafetra ho olona 2 ihany ny ao anatiny; tsy mbola mianatra ny mpianatra ankoatra ireo hanala fanadinana, araka ny fepetra vaovao navoaka mba ho fisorohana ny tsy hiparitahan'ny Covid-19 fampitam-baovao nataon’ny OMC notarihin'ny Prefe ao Toamasina niaraka tamin'ireo lehibe avy amin'ny fitandroana ny filaminana, nihaona tamin'ny mpanao gazety omaly.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana