Dans la męme rubrique

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

19/10/2020

Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly, fa resintsika ankehitriny ity valanaretina ity na mbola misy aza eto, ary mila mitandrina. An-dalam-pandresena,

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

19/10/2020

Iray namoy ny ainy vokatry ny valanaretina covid-19 teo anelanelan’ny 10-16 oktobra 2020, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, izay isaky ny sabotsy sisa no hanaovana azy.

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

16/10/2020

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 15 jolay ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola nomen’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) entina miady amin’ny valanaretina covid-19.

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

 

 

 

 213 izany ireo lavo hatramin’izay manome taham-pahafatesana 1,35% mitaha amin’ny tranga hatramin’izay miisa 15 769. 71 478 ny fitiliana hatramin’izay, ary 15769 kosa ireo efa voa, izay manome taham-pahavoazana ankapobeny 22,06%. Miisa 12 ny tranga vaovao omaly, azo tamin’ny fitiliana 506, izay manome taham-pahavoazana 2,37%. Azo ambara ho ambany ny tranga sy ny taham-pahavoazana omaly. Teto Analamanga ny 09 tamin’ireo tranga vaovao, ary ny 03 kosa tany Boeny Faritanin’i Mahajanga.

1143 NY MBOLA TSABOINA

Miisa 43 ireo sitrana vaovao, ka ny 09 teto Antananarivo (05 Analamanga, 04 Vakinankaratra) ; 02 Toamasina Faritra Antsinana, 13 Fianarantsoa (08 Manakara Faritra Vatovavy Fitovinany, 05 05 Faritra Amoron'Imania) ; 12 Mahajanga (02 Boeny, 08 SOFIA ka ny 06 Antsohihy, 2 Mandritsara, 01 Melaky, ary 01 Betsiboka), ary 07 Antsiranana ao anatin’ny Faritra Sava avokoa. 14 411 ny sitrana hatrizay manome taha 91,38%. Miisa 1143 kosa no mbola manaraka fitsaboana, manome taha 7,24%. Nihena 4 ny "forme grave" mitaha amin’ny afak’omaly, ka 30 izany amin’izao fotoana izao. Ny 17 eto Analamanga, 01 Vakinankaratra (Antsirabe), 08 Matsiatra Ambony (Fianarantsoa), 01 Atsimo Andrefana (Toliara), ary 03 DIANA.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana