Dans la męme rubrique

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

19/10/2020

Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly, fa resintsika ankehitriny ity valanaretina ity na mbola misy aza eto, ary mila mitandrina. An-dalam-pandresena,

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

19/10/2020

Iray namoy ny ainy vokatry ny valanaretina covid-19 teo anelanelan’ny 10-16 oktobra 2020, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, izay isaky ny sabotsy sisa no hanaovana azy.

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

16/10/2020

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 15 jolay ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola nomen’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) entina miady amin’ny valanaretina covid-19.

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Misy hatrany ireo fanalefahana fepetra saingy tsy maintsy mailo ka hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana, hoy ireo minisitra tompon’andraikitra izay nitondra fanazavana tamin` ny haino aman-jerim-panjakana omaly. Mbola mipetraka ny fahamehana ara-pahasalamana ho amin` ny 15 andro manaraka ka mila hamafisina ireo fitandremana fototra toy ny fanaovana arotava; tsy maintsy tohizana ny fanajàna ny elanelana iray metatra; ny fampiasana ny “gel hydroalcoolique”; ny fakàna maripana; ny fanajana ny elanelana 1 metatra, ny fanasana Tanana matetika amin’ny savony, ny fanantonana mpitsabo vao marary. Fihetsika fototra efa tokony ho lasatoetra raiki-tapisaka amin’ny tsirairay ireo satria tsotra kanefa tena mahavonjy aina. Tsikaritra ihany anefa eny an-dalambe sy any anaty tanàna fa tena maro no tsy manaja intsony ireo fepetra ireo satria efa mihevitra fa mihena ny tratran’ny Covid 19 eto Madagasikara ary efa voatsabo tsara izy io ka tsy atahorana.Rehefa manaraka ny tarehimarika avoakan’ny tatitra ofisialy avy any amin’ny CCO isan-katoandro rahateo moa dia hita hoe efa milatsaka ambany ny tarehimarika.Tsara homarihana anefa fa vitsy ihany koa ny fitiliana atao manodidina ny 300 ka hatramin’ny 500 isan’andro ; tsy mbola fantatra izay hitranga raha toa ka mahavita fitiliana 1000 na 2000 isan’andro ny eto Madagasikara, ka izany indrindra no maha zava-dehibe ny fisorohana sy fanajana ny fepetra fa tsy sodokan’ny antontanisa fotsiny.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana