Dans la mme rubrique

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

19/10/2020

Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly, fa resintsika ankehitriny ity valanaretina ity na mbola misy aza eto, ary mila mitandrina. An-dalam-pandresena,

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

19/10/2020

Iray namoy ny ainy vokatry ny valanaretina covid-19 teo anelanelan’ny 10-16 oktobra 2020, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, izay isaky ny sabotsy sisa no hanaovana azy.

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

16/10/2020

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 15 jolay ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola nomen’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) entina miady amin’ny valanaretina covid-19.

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mivaha ny fanajana fepetra Ahiana hirongatra indray ny Covid 19

28/09/2020

Olona iray tany amin’ny Faritra Menabe no lavon’ny Covid 19 ny 55 ny sitrana ny sabotsy teo, ary 36 ny tranga azo tamin’ny fitiliana 647 manome taham-pahavoazana 5,56%.

 

 

 

 Teto Analamanga ny 3, Alaotra Mangoro 3, Matsiatra Ambony 1, Sava 9, Diana 18. Miisa kosa 28 ny tranga omaly, hita tamin’ny fitiliana 417, izay manome taham-pahavoazana 6,71%. Teto Analamanga 4, Vakinankaratra 6, Analanjirofo, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy Fitovinany 1, ary Diana 15. Tsy nisy ny sitrana vaovao sy ny namoy ny ainy omaly, raha toa ka niampy 2 kosa ny marary mafy, ka 17 izany amin’izao. 77 778 ny fitiliana hatrizay, ary 16 285 ny tranga manome taham-pahavoazana ankampobeny 20,93%. Miisa 14992 no efa sitrana, ary 1132 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana.

 

MIHA GORAGORA TANTERAKA

Mihatsara ny ny vokatra saingy tena mbola ao anatin’ny valanaretina isika amin’izao fotoana izao, hoy ny Pr Vololontiana Hanta. Mila mitandrina, tsy tokony ho varimbariana. Ny tranga any Eoropa ankehitriny, dia miakatra be indray, miparitaka ny valanaretnna, ary miverina mihiboka. Any ampitan-dranomasina dia mandoa honitra lafo dia lafo izay tratra tsy manao arotava. Ny zava-misy eto amintsika anefa dia miha goragora. Misy mandeha mamonjy mariazy tsy misy manao arotava. Any anaty toerana mihibokiboka anefa, dia mora kokoa ny hifindran’ny soritr’aretina. Tsy mbola vita anefa ny ady, tsy mbola voafehintsika ny Covid 19, ary tokony hahatonga saina io “2ème vague” amina firenena maro any ivelany io. Nihiboka ry zareo, avy eo novahana tsikelikely, ny olona tahaka ny soavaly tapa-kofehy koa tonga dia nandeha vakansy, nifamangy,... Niverina ny fianarana, ny asa aman-draharaha. Nihena ny fanajana ny fepetra dia niakatra ny tarehimarika, tena vokatry ny tsy fahamailoana ilay izy. Aoka tsy hanao tsirambina fa miankina amintsika ny fitazonana izao fivoarana efa tsara izao, hoy ny Pr Vololontiana Hanta.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana