Dans la mme rubrique

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

23/10/2020

Firenena 10 no hita ao amin'ny lisitr' ireo firenena izay tsy nahazo alalana hiditra eto Madagasikara, araka ny naoty navoakan` ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) omaly ho an'ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka: Allemagne, Belgique, Espagne, Frantsa, Italia , Pays Bas, Pologne, Royaume-Uni, Rosia ary Ukraine.

Sidina anabakabaka Firenena 10 tsy tafiditra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

23/10/2020

Manohana hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny covid19 ry zareo Koreana Tatsimo.

Ady amin’ny covid 19 Nanolotra fitafiana mitentim-bidy 950 tapitrisa Ar i Korea Atsimo

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

21/10/2020

Mpiadina Bakalorea mpianatry ny lisea ao Ranohira tonga miatrika izany fanadinam-panjakana izany ao Ihosy no fantatra fa tratry ny valan’aretina Covid 19.

IHOSY Mpiadina bakalorea 8 tratran’ny Covid 19

Hamaky ny tohiny...

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

20/10/2020

Tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, ka tokony havoaka amin’izay ny mangarahara.

Tapitra ny fahamehana Ahoana amin’izay ireo afera ara-bola goavana?

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

19/10/2020

Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly, fa resintsika ankehitriny ity valanaretina ity na mbola misy aza eto, ary mila mitandrina. An-dalam-pandresena,

Andry Rajoelina “Ny fahamehana no mijanona fa ireo fepetra mitohy…”

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

19/10/2020

Iray namoy ny ainy vokatry ny valanaretina covid-19 teo anelanelan’ny 10-16 oktobra 2020, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta, izay isaky ny sabotsy sisa no hanaovana azy.

Coronavirus tao anatin’ny herinandro 131 voa, 16 marary mafy, 01 maty

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

16/10/2020

Nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 15 jolay ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola nomen’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) entina miady amin’ny valanaretina covid-19.

Filankevitry ny Minisitra Nankatoavina ny findramam-bola amin’ny BAD

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus Niampy an’I Ihorombe ny ivony…

29/09/2020

Tranga vaovao 63 no notaterin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly, hita tamin’ny fitiliana 404, manome taham-pahavoazana 15,59%.

 

 Teto Antananarivo Faritra Analamaga, 01 Antsiranana tany DIANA, 56 Fianarantsoa (02 Faritra Matsiatra Ambony, 54 Faritra Ihorombe), Fitiliana  Genexpert  nanomboka ny 02 Aogositra ireo 54 tany Ihorombe ireo, ary izao vao azo ny vokatra, hoy ny Pr Volontiana Hanta. Na izany aza, azo ambara ho betsaka izany 54 izany. Ankoatra ny any amin’ny Faritra Diana sy SAVA, dia isan’ireo toerana misy tranga maro any. 78182 ny fitambaran’ny fitiliana vita hatramin’izay, ary 16348 ny tranga manome taham-pahavoazana 20,91%, raha ny amin’ny ankampobeny.

 

FARITRA 2 SISA MISY IREO MARARY MAFY

Miisa 25 ny sitrana vaovao 05 Vakinankaratra,  02 Itasy, 01 Alaotra Mangoro (Moramanga), 05 Faritra Ihorombe, 04 SAVA, 08 DIANA. 14947 no sitrana ny sitrana hatramin’izay manome taha 91,43%.  Miisa 1170 (7,15%) no mbola manaraka fitsaboana. Mijanona ho 17 ny "formes graves" ka 11  eto Analamanga, 06 Matsiatra Ambony (Fianarantsoa).

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana