Dans la męme rubrique

Lavarangana nianjera teny Isotry Olona 7 no tototra tao ambany “beton”

23/10/2020

Nitrangana toe-javatra nampalahelo tetsy Isotry ampitan’ny BMH omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Lavarangana amina trano lehibe iray miorina eny an-toerana no nihotsaka tampoka ka nifatratra tamin’ireo mpivarotra kitapo teo akaiky izay tsy nanampo na inona na inona.

Lavarangana nianjera teny Isotry Olona 7 no tototra tao ambany “beton”

Hamaky ny tohiny...

40 taona nigadrana tao Nosy lava Hody any amin’ny fianakaviany i Samuel Rakotoarivelo

23/10/2020

Tanteraka ara-bakiteny amin-dRakotoarivelo Samuel ilay hira ventesina any am-piangonana hoe : « Afaka aho, afaka ny gadrako…

40 taona nigadrana tao Nosy lava Hody any amin’ny fianakaviany i Samuel Rakotoarivelo

Hamaky ny tohiny...

Alfred Randriamanampisoa “Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona”

23/10/2020

Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona, hoy ny filohan’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, Alfred Randriamanampisoa.

Alfred Randriamanampisoa “Hahazo isa 10 amin’ny novambra no tanjona”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny kolikoly Hamafisina ny fandraisana fitorohana

23/10/2020

Nanatevim-pahalalahana tamin`ny alalan` ny atrikasa fiofanana amin`ny fomba mampahomby ny ady amin`ny kolikoly ny rantsan`ny tetikasa “Ho tantsoroka hahazoam-bokatra” ho an`ny seham-panjakana any amin`ny faritra (PAPSP).

Ady amin` ny kolikoly Hamafisina ny fandraisana fitorohana

Hamaky ny tohiny...

Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Nanome rà maimaimpoana ireo mpiara-miasa

23/10/2020

« Izay manome rà, manome Aina ». Nanatanteraka izany an-tsitrapo ireo tompon’andraikitra ambony maro sy ny mpiara-miasa isan-karazany eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Nanome rà maimaimpoana ireo mpiara-miasa

Hamaky ny tohiny...

Fivadiham-pitokisana Tratra ilay tompona agence de voyage namitaka

22/10/2020

Lehilahy tompona agence de voyage mampiasa fiara Grand Starex miisa dimy no nivadika tamin’ireo olona nivarotany izany. Namidiny avokoa mantsy ireo fiarany ireo ny volana desambra 2019 ka mitentina 50.000.000 Ariary ny vidin’ny iray tamin’izany.

Fivadiham-pitokisana Tratra ilay tompona agence de voyage namitaka

Hamaky ny tohiny...

JIRAMA sy ny oniversiten’Antananarivo Hiara-kiasa hanara-maso ny fanjifana tsy ara-dalàna

22/10/2020

Hiara-kiasa manomboka izao ny orinasa JIRAMA sy ny oniversité-n’Antananarivo.

JIRAMA sy ny oniversiten’Antananarivo Hiara-kiasa hanara-maso ny fanjifana tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Tontolon` ny fitsarana Hanatsara ny fifandraisana i Madagasikara sy Inde

29/09/2020

Nifandinika amin` ny fomba hanatanterana ny fanatsarana ny tontolon` ny fitsarana eto Madagasikara ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana no sady Minisitry ny Fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, sy ny masoivoho Indiana miasa sy monina eto amintsika,

 

 

 

Abhay Kumar, omaly tetsy Faravohitra. An-dalam-panatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitsarana roa tonta ary ao anaty fandinihana lalina ankehitriny. Raha vao vita io dia hatao ampahibemaso sy amin’ny fomba ofisialy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ho fantatry ny besinimaro. « Anton-diany ihany koa moa ny fangatahana am-panajana fiaraha-miasa ho an’ireo teratany Indiana izay voatazona eto noho ny valanaretina Covid. Miangavy ry zareo ny mba hahafahan’ireo voatazona ireo mifanerasera amin’ny fianakaviany hisian’ny fifanakalozana. Ilay fifanarahana eo amin’ny lafiny Fitsarana eo amin’ny firenena roa tonta moa dia hiompana amin’ny hoe, raha misy teratany Malagasy iharam-boina any Inde, na raha misy teratany Indiana iharam-boina eto Madagasikara dia mba hisy ny fahafahana mampihatra ny fifanarahana na any na eto » hoy ity minisitry ny Fitsarana ity. Marihina fa mbola tsy nisy io fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Fitsarana io hatreto.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana